• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Vonona handresy eto Antananarivo !

27/10/2023 08:19 © Moov.Mg

Manohy ny fampielezan-kevitra eto Antananarivo indray ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina, rehefa avy nanatanteraka fitsidihana tany amin'ny faritra Soavinandriana Itasy. Teny Itaosy sy Tanjombato no nosafidiany, omaly 26 oktobra.

Diabe am-pifaliana

Niainga teny Itaosy ny diabe notarihan'i Andry Rajoelina mivady omaly tolakandro. Nifarana teny amin'ny kianja lehibe teny Atsimondrano izany, ka rehefa tafavory teo ny rehetra dia afaka nandray fitenenana ny kandida sy ireo mpikarakara.
Nampanantena ny kandida Andry Rajoelina fa raha tafaverina eo amin'ny fitondrana ny tenany dia hitsinjo manokana ny mponin'Itaosy, Tanjombato sy iny Atsimondrano rehetra iny. "Hanampy anareo aho koa ao anatin’ ny telo taona dia vola mitentina 250 tapitrisa dolara no ho zaraina amin’ireo tokantrano marefo. Tsy diso anjara amin’izany isika eto Atsimondrano sy ianareo mpiara-dia rehetra . Hanao karatra misy QR code isika mba hahafahako manome izany fanampiana izany ho anareo. Tsy ho mpitazana fotsiny intsony ianareo fa tena hisitraka ny fampandrosoana", araka ny fanamnarana nataony.

Fifandraisana am-po

Tsy zoviana amin'ny vahoakan'Atsimondrano raha i Andry Rajoelina. Nanamarika manokana ny mponina teny Andoharanofotsy sy ny manodidina ny nitarihany diabe nitety elakelan-trano, tamin'ny fametrahana ny vato fototry ny kianja manarapenitra Iavoloha Atsimondrano. Fotodrafitrasa goavana natao ho an'ireo mpankafy baolina kitra izy io, ary tena mandroso tokoa ankehitriny ny asa fanamboarana.
Ho an'ny vahoakan'Itaosy indray, mbola tsy adinon'izy ireo ny nametrahana "Centre de désintoxication" teny an-toerana. Vao tamin'ny 29 jona lasa teo moa no nanokanana izany toerana izany, ka hahafahana mandray an-tanana ireo olona voagejan'ny zava-mahadomelina.

Fanentanana

Nanantanteraka fanentanana mikasika ny fifidianana ny Kandida Andry Rajoelina. "Ianareo izay liana amin’ny fampandrosoana dia tongava mifidy. Ny vahoaka maro an’isa no tsinjovintsika fa tsy izay tombontsoan’olombitsy", araka ny nambarany. Ny fifidianana izany no lakile tokana hilaminan'ny firenena sy ny vahoaka.

Amin'ny 16 novambra izany no fotoana !


Copyright Image : © ANR

Lire la suite

Articles Similaires