• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Seces
Image
Vaovao

Fitokonan’ny SECES : nifampidinika ny mpampianatra sy ny mpianatry ny oniversite

26/10/2023 15:33 © Moov.Mg

Nifampidinika tamin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mivondrona ao amin’ny SECES, androany ny solon-tenan’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Manahy ny amin’ny mety hisian’ny taona fotsy ireo mpianatra ireto. Maro ihany koa no efa lany vatsy ireo avy lavitra.

Efa-bolana tsy nisy fampianarana

Efatra volana izay no nikatsoan’ny fampianarana teny amin’ny Anjerimanontolon’Antananarivo, noho ny fitokonana ataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Manahy ny amin’ny ho aviny, noho izany ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Nilaza ho miara-miombon’alahelo sy miara-manahy amin’izy ireo ny SECES. Raha miankina amin’izy ireo fotsiny dia tsy hisy mihitsy izany taona fotsy izany, hoy ny profesora Sammy Grégoire Ravelonirina, filohan’ny SECES. Tsy azo ekena rahateo izany, satria efa nandeha ny fampianarana tany amin’ny enim-bolana voalohany. Hatreto anefa dia mbola tsy nivaly ny fitakiana, noho izany, mbola mitohy ny fiatoan’ny fampianarana, mandrapahazoan’izy ireo valiny azo ekena, hoy ny filohan’ny SECES.

Mila valin-teny mazava

Na izany aza, nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpianatra androany, dia nilaza ny profesora Sammy Grégoire Ravelonirina fa nandray ny fanamarihana, ny soso-kevitra, ny fanakianana ary ny fanontaniana avy amin’izy ireo. Ho an’ireo filohan’ny mpianatra kosa, dia ny filazana ny marina amin’izy ireo no tena takiany. Tsy nahazoam-baliny tamin’ny SECES mantsy ny momba ny fitohizan’ny fampianarana na tsia, satria miankina amin’ny valin’ny fitakian’ireo mpampianatra izany. Mitodika amin’ny fitondram-panjakana mahefa, noho izany ireo mpianatra, mba hanambara mazava, na hamaha ny olan’ny SECES ny fitondrana, na tsia. Mahatsiaro ho lasa sorona foana moa ireto mpianatra ireto, amin’izay tolona rehetra misy eny amin’ny Anjerimanontolo.

Lire la suite

Articles Similaires