• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Commune Alasora
Image
Vaovao

Trano may eto an-drenivohitra : manome toromarika ny sampana mpamonjy voina

26/10/2023 15:28 © Moov.Mg

Nisesisesy ny firehetan’ny trano na toeram-piasana tao ho ao, manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny teto Antananarivo fotsiny dia niisa valo ny trano may tamin’iny herinandro iny, raha ny nambaran’ny kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben'ny sampana mpamonjy voina eny Tsaralalàna. Nanome toromarika ho fisorohana izany izy sy torohevitra ho fiatrehana sahady ny rivo-doza.

Mandray fepetra fahamalinana

Amin’ny ankapobeny, hoy ny kolonely Razafimanahaka Tiana, dia efa mijoalajoala foana ny afo vao hita, ka ireo olona ety ivelany no mahatsikaritra ny firehetana, satria tsy misy olona ao amin’ilay trano. Araka izany, mila mandray fepetra fahamalinana ny rehetra, mialohan’ny hivoahana ny trano. Ireo herinaratra sy ny fototr’angovo rehetra dia mila amarinina avokoa, mialohan’ny hivoahana ny trano, hoy ny lehiben'ny sampana mpamonjy voina : jerena raha tena maty daholo ny jiro, raha tsy misy afo mirehitra intsony… Tahaka izany koa ny any amin’ny toeram-piasana rehetra any. Etsy an-daniny, nanentana ny olona mba hiantso avy hatrany ny laharana 118, izay hahazoana ny mpamonjy voina, ny kolonely Razafimanahaka Tiana, raha vantany vao mitranga ny afo. Aorian’izay vao miezaka mamono ny afo. Manjary manome vahana ny firehetana, hoy izy, raha efa tsy voafehin’ny olon-tsotra izany, izay vao mitady fanampiana amin’ny mpamonjy voina.

Miomana amin’ny rivo-doza

Ary satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika, dia manoro hevitra ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina, mba hiomanan’ny besinimaro dieny izao sahady. Mba hisorohana ny loza mety ho tranga, indrindra mandritra ny fandalovan’ny rivo-doza, dia tsara amafisina dieny izao sahady ireo tafo mety ho zakan’ny rivotra, hoy ny kolonely Razafimanahaka Tiana. Efa fotoana ihany koa izao anadiovana ireo lakan-drano tsentsina sy hijerena ireo rindrim-bato mety manentsina ireo lakan-drano. Izany dia mba hisorohana ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahana, izay mitranga foana isaky ny fotoam-pahavaratra eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires