• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mamy Nirina Pisciculture
Image
Vaovao

Distrikan’i Vondrozo : Entanina hiompy trondro ny mponina, hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo

26/10/2023 15:25 © Moov.Mg

Distrika iray miaina tsifanjariantsakafo i Vondrozo, any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Manana velaran-tany midadasika azo volena tsara anefa ny any an-toerana. Tsy ory rano ihany koa, izay azo trandrahana amin’ny fambolena sy fiompiana. Isan’ny azon’ireo mponina atao hampidiram-bola ny fiompiana trondro an-tanimbary, araka ny fanentanana nataon’ny rantsamangaikan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny Kaominina Mahatsinjo.

Fanamafisana ny velon-tenan’ny mponina

Nidina ifotony nitsidika tany amin’ny Kaominina Mahatsinjo ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Mangan’ny Faritra Atsimo Atsinanana, omaly 25 oktobra 2023. Fanentanana sy fanofanana ary fizarana traikefa tamin’ireo mponina, momba ny fampiroboroboana ny atirano, no notanterahina nandritra izany. Nisy, noho izany, ny fanomezana tan-tsoroka ara teknika sy fanentanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, mba ho fanamafisana ny velon-tenan’ireo mponina. Hita rahateo, nandritra ity fidinana ifotony ity, fa maro ireo toerana azo anatanterahana ny fiompina trondro any amin’ity Kaominin’i Mahatsinjo ity. Tsikaritra anefa fa tsy misy mpamokatra zana-trondro any an-toerana no sady tsy mbola voafehin’ny mponina ny teknikam-pamokarana.

Manampy tosika ny fambolena sy ny fiompiana

Mitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mponin’i Vondrozo, indrindra ny ao amin’ny Kaominina Mahatsinjo manokana, izao fanofanana momba ny fiompiana trondro izao. Azon’ireo mponina atao sakafo ny vokatra azo, ka hitondra otrikaina hanampy tosika izay azo avy amin’ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsifanjariantsafo rahateo izany. Manampy amin’ny fidiram-bola ao an-tokatrano ihany koa ny fiompiana trondro, satria azo hamidy rehefa miakatra ny vokatra. Manohana izao hetsika notanterahin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Mangan’ny Faritra Atsimo Atsinanana izao ny tetikasa ProSAR (Projet pour la Sécurité Alimentaire et le Renforcement de la Résilience), izay vatsian’ny firenena Alemana vola, amin’ny alalan’ny GIZ.

Lire la suite

Articles Similaires