• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anjeva : Ramatoa novonoina tao an-tranony

26/10/2023 08:51 © Midi Madagasikara

Feno tsatok’antsy ny vatan’ilay ramatoa. Nipariaka eran’ny trano ny rà. Toe-javatra mampalahelo toy izany no hita tao amin’ny tokantrano iray tao Anjeva, afakomaly antoandro.

Nisy vola very tao amin’io toerana io saingy mbola tsy voafaritra. Azo heverina arak’izany fa fanafihana no nitranga. Nisy tsatok’antsy marobe teo amin’ny lamosin’ilay ramatoa ary torak’izany koa teo amin’ny tendany. Izany hoe novonoina ho faty mihitsy izy ary tao an-tranony ihany. Nidina ifotony ny tompon’andraikitry ny tanàna, isan’izany ny zandary izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany ary koa ny “médecin légiste”. Raha ny tomban’io farany dia io andron’ny talata io ihany no novonoina ilay ramatoa. Mety ho adiny roa talohan’ny nahitàna ny fatiny raha araka ny fijerin’ny manam-pahaizana azy. Nahoraka eraky ny tanàna omaly ity heloka bevava tao Anjeva-Gara ity. Tsy dia fahita tao an-tanàna loatra izany vonoan’olona ao an-tranony izany, indrindra koa amin’ny andro antoandrobe nanahary. Tsy nisy nandre na nahita ny zava-nisy ny teo amin’ny manodidina ary azo heverina arak’izany fa heloka bevava efa nomanina ity nitranga ity. Mitazona vola ao an-tokantranony ilay ramatoa ary mety ho izay ve no tena nokendrena sa kosa ny ain’ilay ramatoa mihitsy no tena nofofoina? Na koa mety hoe nandritry ny famonoana no nisavasava ny trano ary nahita vola tampoka dia nentina. Sarotra hatrany ny fanadihadiana heloka bevava kanefa raha vao misy iray tratra ny olon-dratsy dia tsy maintsy ho hita ihany ny marina.

Lire la suite

Articles Similaires