• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nalisoa Rajerison
Image
Vaovao

Hery Rasoamaromaka : Manohana ny kandidà n°3, Andry Rajoelina

25/10/2023 20:53 © Moov.Mg

Tsy kilalao ny andraikitra ambony eto amin'ny firenena ka mila fifantohana feno. Amin'izao vanim-potoanan'ny fanomanana ny fifidianana izao dia entanin'ny lalàna ireo manana andraikitra mba hametra-pialàna raha toa ka hifantoka amin'ny raharaha politika.

Tsy fialàna andraikitra akory ny fametraham-pialana. Azo heverina fa fahendrena izany raha toa ka misy adidy hafa tokony atao. Raha ny lalàna no resahina, tokony mametra-pialana ny olona manana andraikitra ambony ao amin'ny Fanjakana sy ireo rantsany rehefa hanohana olona mirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena. Nametra-pialana tsy ho Governoran'Analamanga i Hery Rasoamaromaka. Efa mifantoka amin'ny fampielezan-kevitra tanteraka mantsy ny tenany, mba hampandaniana ny kandidà tohanany, dia i Andry Rajoelina. Marihana fa mitana ny andraikitry ny Sekretera Nasionalin'ny Antoko TGV eto amin'ny Faritany Antananarivo ny tenany.

Ampahatsiahivina fa voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly talata 24 oktobra, ny ho mpisolo toerana azy, dia ramatoa Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Androany alarobia 25 oktobra no nanatanterahana

Lire la suite

Articles Similaires