• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fapbm
Image
Vaovao

Fandrakofana ala an’i Madagasikara : Ampahafantarina ny besinimaro ireo fenitra 10 mampahomby

25/10/2023 20:25 © Moov.Mg

Mpisehatra 150 isa no niara-namaritra ny sata mifehy ny karazana fomba fanao mahomby, mba hanamorana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, tamin’ny taona lasa.

Niainga tamin’ny fahatsapana izany fa maro ireo tetikasa fandrakofana ala no tsy nahomby, noho ny antony isan-karazany. Amin’izao ankatoky ny vanim-potoanan’ny fambolen-kazo izao dia manao fanentanana momba ireo fenitra 10 mampahomby ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ny Hetsika Alamino, izay tarihin’ny INDRI, iarahany miasa amin’ilay mpanao sariitatra Pov.

Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy

Isan’ny tsy mampahomby ny fambolen-kazo eto Madagasikara, araka ny fakan-kevitra sy dinidinika niarahan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ny tsy fanomezan-danja ny tranga misy eny ifotony, ny tsy fampandraisana anjara ny vondron’olona ifotony, ny teknika tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola, ny tsy fametrahana drafitra maty paika ary indrindra ny tsy fanaraha-maso ny hazo novolena. Tsy mifandraika amin’ny zava-misy marina eny an-toerana sy ny zava-kendrena matetika ilay tetikasa fandrakofana ala ary tsy ampy ihany koa ny fandrindrana sy fanaparitahana ireo toro sy angom-baovao, ka tsy mampiasa izany ireo mpisehatra fa miainga amin’ny tsy misy. Manan-danja, noho izany, ny fampahafantarana ireo fenitra 10, mba ho voafehin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fanentanana an-tsary

Fotoana tsara hambolena hazo ny volana novambra sy desambra, raha ny nambaran’ny INDRI na “Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”. Efa mirotsaka mantsy ny orana amin’izao fotoana izao ary mila orana betsaka ny zana-kazo mba ho velona tsara. Mialohan’ny hanatanterahan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny izany, no atao izao fampahafantarana sy fanentanana izao, mba hahomby ny tetikasa. Ny antsipirihan’ireo fenitra dia harahina sary tanana izay tena ahafantarana an’i Pov ary hozarain’ny INDRI ao anatin’ny pejy Facebook-ny isan-kerinandro, nanomboka androany. Raha fehezina dia mamintina ireo torohevitra rehetra hahitana fahombiazana amin’ity sehatry ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ity ireo sary ireo ary niarahan’ny Vovonana Alamino niasa tamin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy.

Lire la suite

Articles Similaires