• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Fifanolanana ara-pifidianana : nomena fiofanana ireo mpisehatra, mba hitombona ny fitoriana hapetrany

25/10/2023 10:27 © Moov.Mg

Zary lasa fomba fiteny malaza, taorian’ny famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny voka-pifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018, ilay fomba fiteny hoe : « Azo raisina fa tsy mitombina ». Mba hisorohana ny valim-pitoriana tsy mahafa-po tahaka izany, dia nanatontosa atrikasa fanofanana momba ny fifanolanana ara-pifidianana ny SAFIDY-Fanaraha-maso ny fifidianana.

Heloka ara-pifidianana

Tanjon’ity atrikasa fanofanana ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra ara-pifidianana, mikasika ny fifanolanana sy ny fanenjehana ireo heloka ara-pifidianana, indrindra rehefa fifidianana filoham-pirenena toy izao. Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny ivon-toerana Safidy mantsy dia mbola mila hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra, mba tsy ho tonga any amin’ilay hoe : « Azo raisina fa tsy mitombina » ny valin’ireo fitoriana apetrak’izy ireo eny anivon’ny fitsarana miandraikitra ny fifidianana, raha toa ka misy izany. Niarahan’ny SAFIDY-Fanaraha-maso ny fifidianana nikarakara tamin’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena sy mpitsara ara-pifidianana avy amin'ny fikambanana ANJA Madagascar ity atrikasa ity. Ireo solon-tenan’ny Kandida, ny antoko politika isan-karazany, ny firaisamonim-pirenena, ny holafitry ny mpisolovava, ny mpitsara ary ny mpanara-maso ny fifidianana no niantefan’ity atrikasa fanofanana ity.

Fanentanana ny olom-pirenena

Ankoatra izay, ny SAFIDY-Fanaraha-maso ny fifidianana dia manohy hatrany ny fanentanana ny olom-pirenena rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ary handatsa-bato amin’ny fomba voahevitra, tsy hanaiky hovidiam-bola ary hiaro ny safidy natao. Etsy an-daniny, mandray anjara amin’ny hetsika karakarain’ny firaisamonimpirenena tontosaina androany 25 oktobra ary hiarahana amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena ny ivon-toerana Safidy. Tafa sy dinika no hotontosaina amin’izany, izay nomena ny lohahevitra hoe : « Madagasikara iriko : Fandrosoana tahaka ny ahoana ? »

Lire la suite

Articles Similaires