• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimangakely : Mpangalatra jirona fiara roa lahy no tratra

24/10/2023 16:42 © Moov.Mg

Mbola manjaka ny tsy fandriampahalemana. Saika isan’andro no ahitana trangana halatra miseho amin’ny endriny samihafa. Tamin’ity indray mitoraka ity izao dia jirona fiara no nangalarin’ireto tontakey roa lahy.

Maro ireo trangana fangalarana jiro izay nampimenomenona ireo tompona fiara tato ato. Fiara maro no efa lasan’ny mpangalatra ny globes sy ny feux avant-arrières. Anisan’ny nitrangan’ity halatra ity tao Behitsy, kaominina Ambohimangakely ny herinandro lasa teo.
Raha hiverenana ny zava-nisy dia fiara minibus iray izay mbola tao anatin’ny fanavaozana ary napetraka tao anatina trano no nanaovan’ireto mpagalatra ireto ny asa ratsiny. Lasan’izy ireo tamin’izany avokoa ny globes, ny feux avant-arrières complets, ny pare-chocs ary nongotan’izy ireo ihany koa ny radiateur.

Mpangalatra efa za-draharaha

Natao ny fikarohana sy ny angom-baovao rehetra taorian’ny nitrangan’ny halatra. Lehilahy iray niaraka tamin’ireo équipements no tratra taorian’ny vela-pandrika izany nataon’ny ekipan’ny zandarimaria avy ao amin’ny CB Ambohimangakely. Hita tao an-tranon’ity mpangalatra ihany koa ny karazana jiro hafa marobe. Izany hoe tsy vao voalohany ranamana no nangalatra jiro sy équipements toa izao.
Ao Ambilanibe Anosipatrana ity lehilahy mpangalatra ity no mipetraka. Tsy niasa irery anefa izy fa nisy lehilahy iray izay mpiray tsikombakomba aminy ihany koa no nosamborina, izay mipetraka ao Andohatapenaka Tana.
Ankehitriny dia efa nogiazan’ny zandary ary naverina tamin’ny tompony ireo entana very. Mbola eny anivon’ny zandary araka izany ireo entana halatra sisa ka miantso ireo tompona fiara izay mety very jiro izy ireo mba haka izany eny.

Lire la suite

Articles Similaires