• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dit
Image
Vaovao

Fizahantany : Hotanterahina any Sainte-Marie ny « Festival des Pirates »

24/10/2023 16:29 © Moov.Mg

Mpizahatany manodidina ny 30.000 isa no tonga nitsidika ny Nosy Boraha, na ny Nosy Sainte-Marie, tany amin’ny taona 2019, mialohan’ny valanaretina covid-19. Efa kely sisa dia miverina ho tratra indray io isa io, raha ny nambaran’ireo mpisehatra ara-pizahantany any an-toerana. Somary mareforefo anefa izany fizahantany izany rehefa vanim-potoana toy izao, antony hanatanterahana ny « Festival des pirates », mba hanintonana mpitsidika bebe kokoa.

Lalam-pitsidihana "Pirate Island"

Eo anelanelan’ny volana jona hatramin’ny tapatapaky ny volana oktobra no fandalovan’ny trozona any amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Boraha. Amin’io vanim-potoana io ihany koa no tena betsaka mpizahatany tonga any an-toerana, na mpizahatany vahiny, na avy eto an-toerana. Mba hiakaran’ny isan’ireo mpitsidika amin’izao vanim-potoana izao dia mikarakara ny hetsika « Festival des Pirates » ny fikambanana « Le Circuit des Forbans » (LCDF), izay mitantana ny lalam-pitsidihana (circuit touristique) "Pirate Island", izay vao notokanana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny volana jolay lasa teo. Raha tsiahivina dia mampiavaka ny Nosy Boraha ny fisian’ny fasan’ireo jiolahin-tsambo ao an-toerana, izay tsy azo ihodivirana ny fitsidihana azy, rehefa mandalo any Sainte-Marie. Fa tafiditra ao anatin’ity lalam-pitsidihana ity ihany koa ny « Ile aux forbans » sy ny « Ilot Madame ».

Fampisehoana sy fiaraha-misakafo

Hotanterahina ny 27 hatramin’ny 29 oktobra izao ny andiany voalohany amin’ny « Festival des Pirates ». Ny tarika Tianjama no hanafana ny lanonam-panokafana azy, miaraka amin’ireo mpanakanto maro isan-karazany avy ao Sainte-Marie. Hisy ihany koa, mandritra ireo telo andro ireo, ny fifaninana isan-karazany, izay hahazoana loka. Hofaranana amin’ny fiaraha-misakafo ho an’ny daholobe ny hetsika.

Ankoatra ny maha-hetsika ara-pizahantany azy dia fotoana iray hampahafantarana ny tantaran’ny Nosy Boraha, izay manan-karena tokoa, ity « Festival des Pirates » ity.


Copyright Image : © DIT

Lire la suite

Articles Similaires