• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andron’ny Firenena Mikambana : ilaina ny Fihavanana mba hitondra fampandrosoana, hoy ny ONU

24/10/2023 14:15 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 24 oktobra ny andron’ny Firenena Mikambana (ONU). Amin’ity taona ity dia ny tsingerin-taona faha-78 nijoroan’ny ONU, izay niforona tamin’ny taona 1945 no ankalazaina. Sedra maro no atrehin’ny olombelona miisa 8 miliara maneran-tany, amin’izao vanin’andro iainantsika izao, hoy i Issa Sanogo, mpandrindra maharitry ny ratsamangaikan'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Na izany aza dia mbola eo foana ny ONU ary mitohy foana ny asa ataony.

Ezaka hahatrarana ny ODD

Raha ny momba an’i Madagasikara manokana dia nanipy teny i Issa Sanogo, momba ny olana misy amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. Mandrisika ny Fanjakana malagasy ny Firenena Mikambana, hoy izy, mba hanohy ireo ezaka rehetra efa natomboka mba hahatrarana ireo tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy (ODD), ao anaty fahamarinan-toerana sy fitoniana, na ara-tsôsialy na ara-pôlitika. Nisy rahateo, tamin’ity taona ity, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny rafitry ny Firenena Mikambana ho an’ny vanim-potoana 2024 – 2028. Tanjon’izy io ny hanafainganana ny fahatraran’i Madagasikara ny ODD, satria ny asa rehetra voasoritra ao dia miteraka vokatra mafonja. Mba hahatanteraka izany dia namporisika nandrisika ny mpisehatra rehetra ny mpandrindra maharitry ny ONU, mba hanatanteraka fifidianana anaty fitoniana, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, eken’ny rehetra ary mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.

Fifanomezan-tanan’ny rehetra

Nampahatsiahivin’i Issa Sanogo, fa nandritra ny fihaonanana an-tampony momba ny ODD izay notontosaina farany teo, dia nandrisika ny ONU mba hiasa mafy kokoa i Antonio Guterres, Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana. Marobe mantsy ireo sedra eran-tany, izay mampihemotra ny fampandrosoana, toy ny ady, ny fahantrana, ny loza voajanahary sy ny valanaretina. Noho izany indrindra dia niantso ny fifanomezan-tanan’ny rehetra ny mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana, ny mpitondra Fanjakana, ny mpanohana ara-teknika sy ara-bola, ny firaisamonim-pirenena… Izao tontolo izao mandry fahalemana, salama, miroborobo, lavitry ny fahantrana sy miaina anaty firahalahiana no tanjona, hoy izy. Tsy vaovao rahateo izany, fa efa miaina ny Fihavanana ny Malagasy. Fotoana izao, araka ny nambarany, hanehoana fitiavan-tanindrazana sy hametrahana avo ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tsy misy fampandrosoana mahomby ho an’ny rehetra sy maharitra raha tsy misy ny fandriampahalemana, hoy izy.

Lire la suite

Articles Similaires