• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Global Voices
Image
Vaovao

Taom-pahavaratra 2023 -2024 : Rivo-doza roa no mety hahery vaika

24/10/2023 14:12 © Moov.Mg

Nijojo ny orana teto Antananarivo nandritra ny roa andro izay ary efa maro ireo toerana dibo-drano sahady, vokatr’izany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro anefa dia somary hilatsaka kely amin’ny tokony ho izy ny rotsak’orana eto Madagasikara ho an’ity vanim-potoanan’ny fahavaratra 2023-2024 ity, amin‘ny ankapobeny.

Miomana amin’ny orana sy ny hain-tany

Nanamafy ny eo anivon’ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro fa ilay tranga El Niño no hamaritra ny taom-pahavaratra eto amintsika. Ahiana ho tsy ampy ny orana amin’izao fiandohany izao, amin’ny ankapobeny, indrindra ny any amin’ny Faritra Atsimo. Any amin’ny Faritra Avaratra kosa anefa dia vinavinaina ny hahabetsaka ny orana. Araka izany dia tokony efa hiomana ny amin’ny fiantraikan’izany avokoa ny rehetra. Ny mpamboly, ohatra, dia efa mila mandray fepetra mba hiarovana ny voly amin’ny hain-tany ary ireo monina amin’ny faritra iva kosa dia tokony efa hiomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano, ho an’ireo Faritra hiaina rotsak’orana betsaka.

Rivo-doza miisa efatra

Momba ny rivo-doza kosa dia 4 eo ho eo no andrasana ho an’ity vanim-potoam-pahavaratra ity, eo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny volana avrily, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Ny 2 amin’izy ireo no tena mety hahery vaika. Mbola ny El Niño hatrany no mibaiko ny fiforonan’ny rivo-doza, ka ho tony kokoa ny fiforonan’izany aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ity vanim-potoanan’ny fahavaratra ity. Noho ny fiakaran’ny hafanan’ny tany anefa dia hahery vaika foana ireo tranga ara-toetr’andro, ka tokony hiomana ny amin’izay mety ho rivo-doza ho tonga, mba tsy ho sarotra ny fiarenana avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires