• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ugp_Casef
Image
Vaovao

Fizarana Kara-tany : Manatsara ny asa fitadivan’ireo tantsaha

23/10/2023 16:29 © Moov.Mg

Anisan’ny olana iray mbola atrehan’ny ankamaroan’ireo tantsaha izay mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny tsy fananana kara-tany. Fitaovana iray manampy azy ireo hampiroborobo ny asa fivelomany sy misitraka ireo zo tokony hananany anefa io kara-tany io.

Tombony lehibe ho an’ny tantsaha

Malagasy 4 amin’ny 5 no miaina amin’ny alàlan’ny fambolena sy fiompiana. Olona an-tapitrisany maro araka izany no mivelona amin’ireo seha-pihariana ireo. Miankina tanteraka amin’ny resaka fananan-tany sy ny taratasy mifandraika amin’izany anefa na ny fambolena na ny fiompiana. Zava-dehibe ho an’ireo tantsaha noho izany ny hetsika fizarana kara-tany. Raha ny marimarina kokoa dia anisan’ny manampy olona an-tapitrisany maro hiala amin’ny fahantrana ny hetsika fizarana kara-tany.
Tsara ny manamarika fa miteraka tebiteby ho an’ireo tantsaha ny tsy fananan’izy ireo kara-tany, ka mahatonga azy ireo tsy maharisika amin’ny fanatontosana tetikasa maharitra. Manampy ireo tantsaha hanana filaminan-tsaina amin’ny fanatanterahana ny asa fitadiavany ny hetsika fizarana kara-tany, noho izany. Ankoatra izay dia antoka iray lehibe hahafan’izy ireo miara-miasa amin’ireo mpivarotra zezika sy masom-boly ny fananana kara-tany fa indrindra indrindra manampy azy ireo hisitraka tosika ara-bola avy amin’ireo banky mpampindram-bola (microfinance).
Maro ireo tantsaha no afaka nanatsara ny hari-karenanany sy nanitatra ny asa fitadiavany noho ny fizarana kara-tany.

Fanamafisana ny fazarana kara-tany

Mitohy hatrany ny hetsika fizarana kara-tany manerana Nosy izay tarihan’ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany. Raha tsiahivina dia ny taona 2005 no efa niroso tamin’ny fanavaozana ny fizarana ny kara-tany ny fanjakana. Nisy ny fanamafisana ezaka natao izany nanomboka ny taona 2014 tamin’ny alàlan’ny tetikasa CASEF izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola.
Fantatra ary fa nitovy isa tamin’ny karatany voazara tao anatin’ny 17 taona nanerana ny Nosy ny kara-tany voazara tao anatin’ny 4 taona izay notontosaina tao anatin’ny faritra enina raha ny atontan’isa tamin’ny taona 2022 no jerena. Tamin’ity taona 2023 ity indray dia nametraka tanjona ny hizara kara-tany miisa 1 400 000 ny fanjakana. Kara-tany miisa 1 tapitrisa isan-taona ihany ko no kasaina hozaraina manomboka amin’ity taona ity. Kara-tany miisa 7 tapitrasa araka izany no antenaina ho voazara hatramin’ny taona 2028.
Na dia eo aza anefa ireo ezaka natao tamin’ny alàlan’ny fizarana kara-tany sy masom-boly ary zezika ho an’ireo tantsaha dia mbola hita fa mbola tsy tratra ny tanjona miompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires