• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

« SNISE en Ligne » : Fitaovana hanamora ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana

23/10/2023 15:45 © Moov.Mg

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany teny Antanimena ny « SNISE en Ligne », na « Système National Intégré de Suivi et d'Évaluation en Ligne », izay fitaovana hahafahana manara-maso sy manao tombana ny fandaharan’asan’ny Governemanta. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fametrahana ny haitao ara-kajy mirindran’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola izy ity ary ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) no mpanohana ara-bola.

Fitaovana fandrefesana tondro

Fitaovana enti-manjohy ny drafi-papandrosoana rehetra ataon’ny fitondram-panjakana eto Madagasikara ny SNISE en Ligne, na ara-tsosialy, na ara-toekarena sy ny maro hafa. Ao anatin’ny fampiasana io SNISE en Ligne io dia mametraka tondro (indicateur) mazava, momba ireo tanjona tiana hotratrarina, ireo tomponandraikitra rehetra misehatra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa. Manampy amin’ny fikirakirana ny antontan’isa rehetra sy mandalina izany ary hahafahana mamoaka tatitra avy eo, ity tetikasa ity. Raha tsorina dia manamora ny fanaovana ny tomban’ezaka, ho fandrefesana ny fahatrarana ny tanjon’ny fitondram-panjakana na tsia, ny SNISE en Ligne no sady ihany koa ahafahana manome ny angom-baovao momba izany.

Ahafahana mamantatra ny tena zava-misy

Ny fisian’ny fitaovana tahaka itony dia manampy betsaka tokoa ny fitondram-panjakana ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ho entina hampandroso ny tetikasa. Etsy an-daniny, mahazo tombony amin’ity SNISE en Ligne ity ihany koa ireo mpampiasa vola sy mpamatsy vola, satria hahafantatra ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena, noho ireo tatitra ara-tarehimarika avoakan’ilay fitaovana. Ho an’ny olom-pirenena rehetra, dia ahafahana manaraka ny fizotran’ny tetikasan’ny Fanjakana ny SNISE en ligne, izany hoe : fomba iray entin’ny mpitondra manaja ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra, izay samy antoky ny Fanjakana tsara tantana. Nanatrika ny fanolorana ity fitaovana ity ny solontenan’ny UNFPA sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo.

Lire la suite

Articles Similaires