• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : Manentana mba hampiakarana ny taham-pahavitrihana ny CENI

23/10/2023 14:15 © Moov.Mg

Na eo aza ny fitohizan’ny fitakian’ireo Kandida manohitra ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 16 novmbra ho avy izao, dia manohy ny asany hatrany ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fanomanana izany andron’ny fifidianana izany. Nitohy tany amin’ny Faritra Boeny ny atrikasa fampiofanana ny rantsamangaikan’ny CENI.

Hisy ny fifidianana

Taorian’Analamanga, Itasy sy Bongolava dia ireo rantsamagaikan’ny CENI any Boeny indray no nisitraka atrikasa fampiofanana. Tanjona amin’izany, hoy i Houssen Abdallah, filoha lefitra faharoan’ity rafitra ity, ny hanomezana fahatokisana ny olona fa hisy ny fifidianana. Ny tanjona faharoa dia ny hisorohana ny mety ho hadisoana amin’ny fitanana an-tsoratra (PV) ireo zava-mitranga eny anivon’ny biraom-pifidianana, mandritra ny androm-pifidianana, ka mba tsy hisian’ny vato maty, raha sanatria misy ny fahadisoana. Ireto rantsamangaikan’ny CENI nahazo fiofanana ireto indray avy eo no hanofana ireo mpikambana amin’ny biraom-pifidianana manerana ny faritanin’i Mahajanga, araka ny fanazavana.

Adidy tokony efaina

Ankoatra izay dia nanamafy ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo, fa anjara andraikitry ny CENI ny manentana ny olona mba handatsa-bato, ka hampiakatra ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana. Efa nanentana ny CENI, hoy izy, tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ; mbola nanao izay fanentanana izay ihany koa, mba samy haka ny karatra maha-mpifidy azy avokoa ny olom-pirenena rehetra. Ankehitriny dia manentana ny olona hanefa ny adidiny indray ny CENI, mba hampiakatra ny taham-pahavitrihana amin’ny fifidianana. Momba ny karatry ny mpifidy manokana moa, dia efa mihoatra ny 70 no voazara, any amin’ny farinanin’i Mahajanga, raha ny fanamarihana avy amin’ny CENI.

Lire la suite

Articles Similaires