• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Antananarivo - Antsirabe : Andrin-jiro lehibe iray no nianjera

23/10/2023 11:45 © Moov.Mg

Nahitana tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra hatrany teto Antananarivo sy ny manodidina nandritra ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Tsy ny teto Antananarivo ihany fa anisan’ny tsy tomombana ihany koa ny famatsiana herinaratra izay mampitohy an’Ambohimanambola sy Antsirabe.

Fianjeran’ny andrin-jiro

Nisy ny tsy fahatomomban’ny famatsiana herinaratra teo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, araka ny tatitra nataon’ny avy eo anivon’ny Jirama. Somary nanano sarotra anefa vao fantatra ny fototry ny olana. Taorian’ny fanarahan-dia ny tambazotra izay nanomboka teo Behenjy dia hita fa ny fianjeran’ny andrin-jiro iray lehibe no nitarika izany olan’ny famatsiana herinaratra izany.
Androany tamin’ny 5 ora sy sasany maraina ary no hitan’ireo teknisiana fa nidaraboka tamin’ny tany ny andrin-jiro laharana faha-125. Fantatra fa mitondra herinaratra mahery vaika 63kv izy io. Araka ny vinavina dia mety ny rotsak’orana nifanesy nandritra iny faran’ny herinandro iny no mety nitarika tamin’izao fianjeran’ny andrin-jiro izao ka nahatapaka ny herinaratra tamin’ny faritra maro. Efa teo an-dàlam-pananganana ny « poutre » ny teknisiana ny Jirama tamin’ny 11 ora tany ho any.

Mbola mitohy ny fahatapahan’ny jiro

Tsy ny tambozotra mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe ihany no nahitana olana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Faritra maro teto Antananarivo no tapaka jiro araka ny efa natsidika tetsy ambony. Distrika sy tanàna hafa manodidina an’Antananarivo ihany koa no mbola tsy misitraka herinaratra noho ny asa fanarenana izay mbola tanterahan’ireo teknisiana.
Mampahafantatra ary ny Jirama fa amin’izao fotoana izao dia mbola tapaka ny jiro ho an’ireto faritra manaraka ireto : Behenjy, Tsinjony, Analamanga Parc, Ambatofahavalo, Andramasina, Ambohimiadana, Ambohitrinimanga, Soavinimerina, Manandriana, Ambatofotsy, Antsapandrano, Lazaina, Isahafa, Iavoambony, Maizinandro, Arivonimamo, Miarinarivo, Manazary Analavory, Ampefy, Soavinandriana.
Manamafy ihany kosa anefa ny Jirama fa hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana ny herinaratra rehefa vita ny asa fanarenana sy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa nahitana fahasimbana.

Lire la suite

Articles Similaires