• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 16 hatramin'ny 22 oktobra 2023

23/10/2023 05:12 © Moov.Mg

Atolotra anao ny famintinana ireo vaovao nisongadina ny 16 hatramin'ny 22 oktobra 2023. Ny lafiny politika no tena mafana, amin'izao ankatoky ny fifidianana izao.

Fifidianana # Kandida miisa 3 no efa miroso amin'ny propagandy

Raha kandida tokana ihany no nanatanteraka ny fampielezan-kevitra tany am-boalohany, efa niakatra ho telo izany hatramin'ny omaly. Ny alahady 22 oktobra mantsy dia nanomboka ny propangady tao Vohémar ny kandida laharana faha-13, Siteny Randrianasoloniaiko. Noheverin'ny maro fa nisintaka ny "Collectif des candidats" ny tenany ka izao vonona hiatrika fifidianana izao. Araka izany, 3 ny kandidà miomana fatratra amin'ny fifidianana dia i Andry Rajoelina, Siteny Randrianasoloniaiko ary Daniela Raderanirina.

Andry Rajoelina # Nihaona tamin'ny vahoakan'i Mahajanga

Nisafidy ny faritra Boeny ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina tamin'iny faran'ny herinandro iny. Tao amin'ny Kianja Rabemananjara moa no nanatanterahany lanonambe. Raha ny tazana amin'ny sary, rakotra loranjy ny toerana. Ankoatr'izay, tamin'ny zoma lasa teo dia nanatanteraka kabary indray i Andry Rajoelina, ary nanambara fa ezahiny tohizana izany, hahafahany mitafatafa sy mampita vaovao amin'ny vahoaka malagasy. Omaly alahady 22 oktobra moa dia nisy ny kabary faharoa.

Collectif des candidats # Mijanona ho 11

Nihaona tamin'ireo mpanara-dia azy teny amin'ny Coliséum Antsonjombe ny Collectif des candidats ny sabotsy lasa teo. Nisy ny diabe izay niainga tamin'ny toerana maromaro ka teny amin'izany kianja izany no nifarana. Nisy ihany koa ny seho niarahana tamin'ny mpanakanto maro. Tamin'izany indrindra no nanao sonia taratasy tsy fanekena ny fanatanterahana ny fifidianana ireo mpitarika, saingy 10 ihany. Nametraka ahiahy tamin'i Siteny Randrianasoloniaiko ny rehetra, noho ny tsy niombonany tamin'ny fanaovan-tsonia. Na teo aza nefea ny famoriam-bahoaka natao tany Vohémar, tsy nanentana mikasika ny fifidianana azy ny tenany. Mitsidika faritra maro ny tenany mba hanohanana ny "tolona", araka ny tatitra nataon'ny Radio Mangarahara.

Antenimierampirenena # Samy miziriziry ireo depiote

Tontosa ny talata faha-17 oktobra ny lanonana fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Ramatoa Christine RAZANAMAHASOA. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia nanambara Ramatoa Filoha fa tandindomi-doza ny firenena koa ilaina ny fifampiresahana anaty fifanajana sy fitoniana ambony latabatra boribory. Raha efa nanao fanelanelanana ireo rafitra maro samihafa dia naveriny fa tokony manaja ny soatoavina sy ny fihavanana ny andaniny sy ankilany. Samy niaro ireo antoko tohanany nefa ireo depiote ka nisy mihitsy ny filanjana sora-baventy.

Fifidianana # Voatendry ireo mpikambana ao amin'ny CCFVP

Noraisin'ny Filàn-kevitry ny Minisitra ny 18 oktobra 2023 lasa teo ny Didim-panjakana fankatoavana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika, na Commission de Contrôle du Financement de la vie politique (CCFVP). Ny telo amin’izy ireo dia Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty na « Cour des Comptes », ka ny filohan’izany rafi-pitsarana izany no manendry azy ireo. Ny roa amin’ireo mpikambana kosa dia manam-pahaizana momba ny kaonty na « experts comptables » izay tendren’ny Filohan’ny holafitry ny « experts comptables ».

CENI # Tsy misy ny birao fandatsaham-bato « fictif »

Fanelezana vaovao tsy marina na fandisoana vaovao iniana atao ny filazana fa misy izany birao fandatsaham-bato « fictifs » izany, hoy ny filohan’ny CENI. Nohizingizininy fa tsy mitombina mihitsy ny mety hisian’izany tao anatin’ity fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ity. Tsy ho azo natao mihitsy, hoy izy, ny hoe : olombelona "fictif" omena karapanondro "fictif". Nandritra ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy mantsy dia tsy maintsy ny vatan-tenan’ilay mpifidy no mitondra ilay karapanondro, nentina nameno ny "fiche individuelle de recensement des électeurs", na ilay takelaka nanaovana fanisana ny mpifidy. Etsy an-daniny, tsy maintsy mifandrohy amina fokontany ny birao fandatsaham-bato.

Behoririka # May ny tsena

Ny zoma lasa teo no nitrangana fahamaizana goavana teny Behoririka. Ireo trano hazo fivarotana manodidina ny ranomaimbo no niantombohan'ny afo, ka niitatra tamin’ireo trano fivarotana lehibe manakaiky ny Toyota Rasseta koa ilay izy avy eo. May avokoa ny Tsena Maitso iray manontolo sy ny tranombarotra sasantsasany tao amin'ny Manangana. Vao nahare ny tranga ny mpivarotra dia samy tonga namonjy ny entany sy niezaka namono afo. An-tapitrisany maro ny fahaverezana.

Abel Ratsimba # Lavo ilay kintan'ny Kalon'ny Fahiny

Ny sabotsy 21 oktobra no nandao ny tany i Abel Ratsimba, mpihira sady mpamorona malagasy. Tsy zoviana ny tenany ho an'ireo mpankafy ny kalon'ny fahiny. Hita teny an-tsehatra matetika niaraka tamin'i Henri Ratsimbazafy, Liza Raseta sy Voahirana ny tenany. Na ireo tanora aza nefa dia mahafantatra tsara ny hirany, indrindra ilay hoe "Toa tsy nofy intsony". Ny alatsinainy 23 oktobra moa no fotoana andevenana azy.

Fonjan'Antanimora # Nahazo fiofanana ny vehivavy

Toeram-panarenana ny fonja. Izany indrindra no hanomanana ireo voafonja hiverina eny amin'ny fiaraha-monina, ary tsy hamerenan'izy ireo ny fahadisoana efa natao intsony. Vehivavy voafonja miisa 28 no nisitraka fiofanana mikasika ny fanjairana sy fanamboarana "serviettes hygiéniques lavables". Notolorana fanomezana ihany koa izy ireo, toy ny fitaovam-pidiovana. Nahazo "couches" ireo vehivavy mitaiza kely.

Tsy fandriampahalemana # Mpamaky trano tratra teny Ambohipo

Polisin'ny UIR manao fisafoana teny amin'ny manodidina no nahatratra ambodiomby ity lehilahy iray ity rehefa nampandrenesin'ireo mpiray vodirindrina fa misy mamaky trano eny an-toerana. Roalahy izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny ny 21 oktobra lasa teo tokony tamin'ny telo ora tolakandro ka ny iray no voasambotra teo no eo raha tafaporitsaka kosa ny jiolahy iray hafa. Mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba izao raharaha izao.

Lire la suite

Articles Similaires