• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Maevatanàna : Ankizy roa lahy nalaina an-keriny, avotry ny zandary

21/10/2023 19:02 © Midi Madagasikara

Ny 12 Oktôbra lasa teo dia nisiana trangana fakàna an-keriny tao amin’ny tao amin’ny tanàna iray tao Antsiafabositra, any amin’iny distrikan’i Maevatanàna iny.

Zazalahy anankiroa, 8 taona sy 14 taona no nalain’ny dahalo mirongo fiadiana an-keriny tao an-tokatranony. Nampiasa ny fahaiza-manaony ny teo anivon’ny zandary, nentina nikarohana sy hanavotana ireto ankizy teny am-pelatanan’ny dahalo ireto.

Vantany vao nisy nampandre mahakasika ity tranga ity ny zandary teo anivon’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana dia niditra an-tsehatra avy hatrany. Nanao ny fanarahan-dia sy ny nanao angom-baovao isan-karazany ho enti-mamantatra izay tompon’antoka fa indrindra, hamonjena ireto ankizy ireto. Ny alarobia lasa, rehefa feno ny angom-baovao isan-karazany ary fantatra ny toerana niafenan’ireto olon-dratsy nitondra ireto zaza dia niroso avy hatrany tamin’ny fanavotana azy ireo mpitandro filaminana. Mazava ho azy, tsy namela mora ny hetsika famonjena nataon’ireo zandary ireo dahalo am-polony maro fa nanao izay ho afany ihany koa. Nisy ny fifandonana vokatr’izay ary nirefodrefotra ny basy. Tao anatin’ity fifandonana ity no nahafaty ny iray tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny iray. Nitsoaka toy tsy teo kosa ireo namany, namela ireo ankizy teo am-pelan-tanan’izy ireo. Ny famonjena ireto olona lasa an-keriny moa no tena natao ho tanjona tao anatin’ilay « opération » ka avotra soa aman-tsara izy roalahy. Tsy nisy naninona ary salama tsara. Nitohy taty aoriana ny fanadihadiana ary nisy olona efatra hafa voasambotry ny zandary. Ny somary nahavariana dia vehivavy ny telo tamin’izy ireto, izay voalaza fa irakirak’ireo olon-dratsy sy mpiray petsapetsa amin’izy ireo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary tao Maevatanana moa ireto voasambotra ireto ho amin’ny famotorana azy. Mbola nitohy kosa any an-toerana ny fikarohana ireo mpaka an-keriny sasantsany, tafatsoaka tao anaty fifandonana.

Lire la suite

Articles Similaires