• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vokatra ara-biôlôjika : mahaliana ny mpanjifa ny sôkôla manaja ny tontolo iainana

20/10/2023 16:04 © Moov.Mg

Efa tafiditra tsikelikely ao anatin’ny mason-tsivan’ny Malagasy ankehitriny, rehefa hanjifa, ny fenitra manaja ny tontolo iainana. Raha ny sôkôla manokana dia efa manomboka be mpankafy ireo vokarin’ny orinasa madinika sy salantsalany mpanao asa tanana. Ny fampahafantarana ny vokatsoa azo avy amin’ny vokatra ara-biôlôjika no lakile, hoy i Dinah Fehizoro, mpanamboatra sôkôla.

Misy famoronana vaovao foana

Raha resaka tsiro dia tena afaka mifaninana tsara amin’ireo orinasa vaventy mpanamboatra sôkôla ireo orinasa madinika sy salantsalany mpamokatra izany eto amintsika, hoy i Dinah Fehizoro, mpamorona sy tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Bakora World, manana ny marika sôkôla Chocolamarelle. Ny famokarana kosa no tsy mitovy, noho ny fitaovana ampiasaina tsy mitovy. Mihamitombo hatrany ireo mpanjifa mivantana sy ireo mikaomandy, raha ny fanazavana azo, satria misy famoronana vaovao foana ihany koa, entin’ireo mpiantsehatra amin’ny sôkôla asa tanana (chocolat artisanal). Ankoatra izay dia miezaka ireo mpamorona ny mampianatra sy manoro ireo mpanjifa ny antony mahatsara kokoa ireo vokatra manaja ny tontolo iainana.

Tsy misy very fa mbola azo ahodina

Araka izany dia efa zary mipetraka ho mason-tsivan’ireo mpankafy sôkôla ny maha-vokatra ara-biôlôjika azy, ka tandreman’ireo mpamokatra mafy izany. Manomboka amin’ny fambolena ny kakaô, mandalo amin’ny fiotazana ka hatramin’ireo dingana rehetra fanodinana azy ho lasa sôkôla, dia tsy maintsy hajaina daholo ireo fenitra rehetra itazonana ny maha biôlôjika ny vokatra. Tsy misy very rahateo ny mombamomba ny voana kakaô, fa mbola azo anamboarana dite, ohatra, ny akorany.

Tafiditra ao anatin’ilay fenitra momba ny fikajiana ny tontolo iainana avokoa izany. Sady mitondra voka-tsoa betsaka kokoa ho an’ny fahasalamana ny kakaô, rehefa mahafeno io mason-tsivana io, hoy i Dinah Fehizoro. Tsara kalitao kokoa ireo singa mahasoa entiny, toy ny vitamina, kalsiôma, maneziôma, potasiôma…


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires