• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma Adn
Image
Vaovao

Mpisehatra tsy miankina miaro ny tontolo iainana : manome tan-tsoroka ny MEDD

20/10/2023 14:55 © Moov.Mg

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny lafiny tontolo iainana ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ady tsy vitan’ny Ministera irery mantsy ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ny fanazavana nentin’i Gildas Randrianasolomana, teknisianina mpifehy asa eo anivon’ity Ministera ity.

Fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankiana

Mandray anjara amin’ny hetsika Salon international de l’Habitat eny Tanjombato ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Fotoana iray anomezana sehatra ireo mpikatroka tsy miankina momba ny tontolo iainana ireo andro andro 4 hanatanterahana ny hetsika. Isan’ny aranty ao anatin’ny trano hevan’ny Ministera, ohatra, ny kabone tsy mampiasa rano, ny zezika biôlôjika, ny saribao manaja ny tontolo iainana… izay novokarin’ireo mpisehatra avy amin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) izao fanomezana sehatra ireo famoronana miaro ny tontolo iainana izao, raha ny fanamarihana nataon’i Gildas Randrianasolomana.

Manome tohana ara-teknika

Manampy tosika ireo karazana hetsika sy fandraisana andraikitra rehetra mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana ny MEDD, hoy ity teknisianina eo anivon’ny Sampandraharaha miandraikitra ny fampiroboroboana ny asa maitso sy manga ity. Tsy manome fanampiana ara-bola anefa ny Ministera, fa ny fanampiana amin’ny alalan’ny torohevitra sy ny tohana ara-teknika no tena ataony. Raha toa, ohatra, ka misy mikasa hamboly hazo, dia afaka manolotra teknisianina hanoro hevitra, ireo sampan-draharahan’ny MEDD rehetra miparitaka manerana ny Nosy. Antso avo, noho izany, no ataon’ny eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana, mba hifanolo-tanana ny rehetra. Efa samy mahatsapa ny voka-dratsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana daholo mantsy isika, hoy i Gildas Randrianasolomana. Manomboka amin’ny fitandroana ny fahadiovana isaky ny tokantrano izany, hoy izy, ka hatramin’ny fanajanonana ny fandripahana ny ala, izay antony mampiantona ny orana sy maharitra ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires