• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tafika Andranomasina
Image
Vaovao

Fari-dranomasina avaratra andrefana : Tratra ny sambo iray mampiahiahy, tsy fanta-piaviana

20/10/2023 14:48 © Moov.Mg

Sambo iray tsy fanta-piaviana mazava ary mampiahiahy no tratra tao Avaratra andrefan’i Madagasikara, nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny sambo mpiady malagasy RC TROZONA. Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ilay fandaharan'asa fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina (MASE). Tanjona ny hiadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna sy ny fanondranana an-tsokosoko zavatra voarara ary ny jono tsy manara-dalàna.

Heverina ho avy any Azia

Ny Tafika an-dranomasina Malagasy no nandefa ny sambo mpiady RC TROZONA, mba hanara-maso sy hanao fitsirihana ao amin’ny fari-dranomasina avaratra andrefan’i Madagasikara. Nandritra izany fitsirihana izany no nahatratraran’ny RC TROZONA ny sambo botry iray, izay tsy mitondra ny saina manambara ny firenena iaviany. Heverina fa avy any amin’ny faritra Azia io sambo io ary ahiana ho mandray anjara amin’ny fanondranana zava-mahadomelina sy fanaovana jono tsy ara-dalàna. Rehefa nosavain’ny miaramila tantsambon’ny Tafika an-dranomasina ilay sambo, dia nahitana fambara tena nampiahiahy. Vokatr’izay dia nentina nankany Nosy Be ity sambo botry ity mba ahafahana manadihady azy misimisy kokoa. Ny « Détachement Naval Nosy Be », miaraka amin’ny manam-pahefana ao an-toerana, no hisahana ny fanohizana ny fanadihadiana.

Mitohy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina

Hanohy ny iraka izay efa nampanaovina azy, amin’ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina avaratra andrefan’i Madagasikara, ny RC TROZONA. Manampy azy amin’izany ireo hery hafa misy eto amin’ny firenena sy ireo hafa avy any ivelany, toy ny sambon’ny EUNAVFOR, izay hetsiky ny Vondrona Eoropeanina ho an’ny fiarovana an-dranomasina. Ny hetsika izay tanterahin’ny RC Trozona kosa dia eo ambany fibaikoan’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina sy ny Ivon-toerana rejionaly ho an’ny fandrindrana ny hetsika (CRCO). Iarahan’ny Tafika an-dranomasina miasa amin’ny ivon-toerana roa lehibe aty amin’ny fari-dranomasina atsimon’ny ranomasimbe indianina izany, dia ny Ivon-toerana Rejionaly Misahana ny Fifampizaram-baovao Mahakasika ny Fivezivezena An-dranomasina (CRFIM) sy ny Ivon-toerana rejionaly ho an’ny fandrindrana ny hetsika (CRCO).

Lire la suite

Articles Similaires