• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Voafonja tsy ampy taona ao Antsirabe : afaka manohy fianarana sy mianatra asa

20/10/2023 14:34 © Moov.Mg

Voafonja tsy ampy taona miisa 13, tao amin’ny fonjaben’Antsirabe, no nanala fanadinana CEPE tamin’ity taona ity ary samy afaka daholo. Nisy ihany koa ireo nanala fanadinana bakalôrea. Fantatra izany nandritra ny fandalovan’ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, tany amin’ny fonjan’Antsirabe omaly.

Zaza tsy ampy taona 67 isa

Ny hanadihady ny mombamomba ny zava-misy ao amin’ny fonjan’Antsirabe no anton-dian’i Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana tany Vakinankaratra. Fantatra, nandritra izany, fa miisa 1 397 ny voafonja ao, ka lahy ny 1 237 amin'ireo ary vavy ny 93. Miisa 612 kosa no mbola tsy voatsara ary 785 kosa no efa nandalo Fitsarana. Momba ireo zaza tsy ampy taona voatazona ao amin’ny fonjaben’Antsirabe dia miisa 67 izy ireo ka ny 63 no lahy ary 4 ny vavy. Ny 45 amin'izy ireo no efa voatsara, araka ity fanadihadiana natao teo anivon’ny fonjan’Antsirabe ity.

Fanarenana ara-tsaina sy ara-tsosialy

Manana mpiara-miasa ny fonjan’Antsirabe, manampy amin’ny famerenana ireo zaza tsy ampy taona eny anivon’ny fiarahamonina indray, aorian’ny fahavitan’ny sazin’izy ireo. Ny fanarenana ara-tsaina sy ara-tsosialy no atao amin’izany. Manampy ara-pitaovana, ara-pitafiana sy ara-tsakafo ireo mpiara-miombon’antoka ireo. Mampiofana momba ny rafitra sy ny elektronika ihany koa. Noho ny fanofanana arak’asa azon’izy ireo dia nisy ireo efa nahazo asa rehefa vita ny fotoana nisaziany. Ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana kosa, nandritra ity fandalovany tany amin’ny fonjan’Antsirabe ity, dia nanolotra fitaovam-pidiovana, sakafo, fitafiana ary fitaovana hampiasaina amin'ny fambolena ho an'ireo voafonja.

Nanamafy ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tsy maintsy hamafisina ny fanafainganana ny fotoam-pitsarana, ary tokony hojerena manokana ireo efa mahafeno ny fepetra amin'ny fahazoana fahafahana miharo fepetra.

Lire la suite

Articles Similaires