• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh.Jpg
Image
Vaovao

Trano fonenana : Mitohy ny asa fampandrosoana na misy aza ny krizy, hoy ny SENVH

19/10/2023 22:26 © Moov.Mg

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika (SENVH), Gérard Andriamanohisoa androany, indrindra ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fampandrosoana sy ny fanorenana.

Ilaina ny fitoniana

Tsy afa-miala amin’ny asa fampandrosoana isika, hoy izy, na inona na inona zava-misy eto amin’ny firenena. Ny fifanomezan-tanana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy fanjakana no ahafahana mampandroso ny firenena. Rehefa misy anefa ny krizy tahaka izao, dia ny sehatra tsy miankina hatrany no iharan’ny voka-dratsin’izany. Araka izany dia Ilaina ny fitoniana ary irariana ny hisian’ny filaminana mba hitohizan’ny fampandrosoana, hoy i Gérard Andriamanohisoa. Antoka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena mantsy ny trano fonenana. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ireo tanàn-dehibe, satria mandray anjara goavana amin’ny harinkarem-pirenena (PIB). Ny 2/3-n’ny harinkarena faobe eto amintsika dia avy amin’ny tanàn-dehibe avokoa, hoy hatrany izy.

Mitady vahaolana momba ny toeram-ponenana

Raha ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana dia efa manatanteraka ireo politika nasionalin’ny trano fonenana sy ny toeram-ponenana ny Fanjakana amin’izao fotoana izao. Ny andraikitra noraisin’ny governemanta hatramin’izay, tamin’ny alalan’ny SENVH, araka ny nambarany, dia mampiseho ny finiavana hitady vahaolana momba ny toeram-ponenana. Notanisainy fa ny fametrahana ny lalàna momba ny fampiroboroboana ny trano fonenana, ireo tetikasa marobe momba ny trano fonenana sahaza, ny fametrahana ireo paikady vaovao mikasika ny fanaovana tahirin-tany, ny fitadiavana vahaolana momba ny famatsiam-bola amin’ny banky ho an’ny fanorenana dia efa samy ao anatin’ny paikady efa ikatrohan’ny Fanjakana avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires