• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsidika
Image
Vaovao

Maintirano – Melaky : Voatazona amin’ny vidiny 12 000 ny kilaon’ny hen’omby

19/10/2023 18:46 © Moov.Mg

Nahitana fiakarany ny vidin’ny hen’omby tao Maintirano, faritra Melaky tato ato. Ankoatra ny entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN) dia fantatra fa niakatra 2 000 ariary noho ny vidiny mahazatra izany hen’omby izany.

Fifampiresahana

Raha toa ka 12 000 ariary ny kilaon’ny hen’omby misy taolana dia niakatra ho 14 000 ariary izany. Lasa 16 000 ariary kosa ny kilaon’ny nofo-kena omby tsy mifangaro raha toa ka tokony ho 14 000 ariary izany. Manoloana izany fiakaran’ny vidin’ny hen’omby izany dia nikarakara fihaonana tamin’ireo mpivaro-kena rehetra ao Maintirano ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana tao Melaky. Nojerena sy noresahana manokana tamin’izany ny mety ho antony nampiakatra io vidin’ny kilaon’ny hena io. Nisy araka izany ny fifampiresahana, ary nandritra izany no nikarohana vahaolana sy marimaritra iraisana mba tsy hahafaty antoka ireo mpivarotra, fa ihany koa mba hiarovana ny mpanjifa.

Miverina amin’ny vidiny teo aloha ny hena

Toarian’izany fivoriana teo amin’ny roa tonta izany ary dia tapaka fa hiverina amin’ny vidiny teo aloha ny hen’omby. Izany hoe tazomina amin’ilay vidiny 12 000 ariary ny kilaon’ny hena mifangaro (misy taolana) ary 14 000 ariary tahaka ny teo aloha ihany koa ny kilaon’ny hen’omby tsy mifangaro na nofony fotsiny.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, Be Christophe fa tsy azo atao ny mampiakatra ny vidin’entana iarahana na faobe eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny toekarena.

Fanentanana

Manentana ny mpivaro-kena mba hampiasa fitaovam-pandanjana marina amin’ny hena izay amidiny ihany koa ny talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana. Izany no atao dia ny mba hialana amin’ny fangalarana sy ny faty antoka eo amin’ny mpanjifa.
Noresahanyihany koa ny mahakasika ny vidim-bary ao an-tapon-tanànan’i Maintirano izay 700 ariary ny kapoaka. « Io vidim-bary amin’izao io dia tokony tsy hiova intsony mandrapahatongan’ny volana janoary, amin’ny maintso ahitra. Ny antony dia tsotra, ny vary izay ao amin’ny tahiry amin’izao dia vary efa novidiana tamin’ny volana jolay, aogositra ary ny faraparan’ny volana septambra teo. » hoy hatrany ity tale nanazava. Nanamafy ihany koa ity farany fa ampy ny vary iatrehana ny fahavaratra ho an’i Melaky. Misy avokoa na ny vary hafarana na ny vary gasy nambolena tao an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires