• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn_Antananarivo
Image
Vaovao

Faravohitra – Faratsiho : Mpangalatra kisoa nampiasa fonoka no tratra

19/10/2023 18:36 © Moov.Mg

Tsy mikely aina mitady hevitra hahatomombana ny hevi-dratsiny tokoa ireo mpangalatra sy jiolahy mpamanky trano. Tamin’ity indray mitoraka ity izao dia lehilahy 55 taona, antsoina hoe Zistà no nampiasa « fonoka » mba hampahomby ny halatra kisoa izay nokasainy natao tao amina tokantrano iray. Tsy nahomby anefa ny teti-dratsiny na dia izany aza…

Fonoka hampatoriana ny tompon-trano

Nandritra ny fanatanterahana ny teti-dratsiny dia nampiasa fonoka ity lehilahy ity. Noeritreretiny hampatoriana tamin’ity fanafody ity ireo tompon’ny kiosoa. Rehefa izany dia niditra moramora hibata ireo kisoa roa ranamana.
Marihina fa andro atoandro be tamin’ny 11 ora no nanaovany izany fonoka izany. Sendra hitan’ireo zandary nanao fisafoana kizo anefa ny fihetsik’ity rangahy ka nojeren’izy ireo tsara. Tratran’ny zandary teo ampangalarana ireo kisoa miisa roa i Zistà vokatr’izany.

Fomba fiady efa mahazatra

Tsy vao izao no nanaovan’i Zistà ny asa ratsy toa izao. Araka ny nambarany dia miasa irery ny tenany manao ny asa fangalarana, « tsy mba mitondra namana aho fa mahatoky ny odiko izay mampatory ny olona na antoandro na alina », hoy i Zistà. Ny alarobia 11 oktobra lasa teo izao dia kisoa roa no efa azony ary namidiny tao amin’ny tsenan’i Faratsiho. Efa nangalatra kisoa sy omby tany amin’ny kaominina Andrakodavaka ihany koa ny tenany ankoatra ny efa nataony tao amin’ny kaominina Vinaninony izay kaominina misy azy. Ankoatra ny resaka halatra dia rongony sy ody ratsy iray harona no tratran’ny zandary tao aminy nandritra ny fisavana izay natao.

Lire la suite

Articles Similaires