• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Logos Hope : Hiantoka ny tapakila fidirana ho an’ny mpianatra ny METFP

19/10/2023 18:31 © Moov.Mg

Handalo eto Madagasikara afaka andro vitsy ilay tranomboky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany, izay mitondra ny anarana Logos Hope. Ao Antsiranana no hiantsona voalohany ity sambo lehibe ity, ka hijanona ao an-toerana izy ny 27 oktobra ka hatramin’ny 12 novambra.

Boky 5 000 isa

Olona aman’arivony maro no andrasana ho tonga hitsidika ity tranomboky mitsingevana ity mandritra ny fandalovany eto Madagasikara. Ahitana boky manodidina ny 5 000 isa izay miresaka lohahevitra maro isan-karazany izy io. Hita ao ohatra ireo boky miresaka ny atao hoe « développement personnel », ny fanatanjahantena, ny zava-kanto, ny boky ho an’ny ankizy, ny siansa, ny tantara, ny fandrahoan-tsakafo, ny finoana, ny fitsaboana, ireo lahatsoratra akademika, rakibolana, atlasy sy ny maro hafa ihany koa. Fotoana iray lehibe ho an’ireo ankizy sy tanora mpianatra ary ireo olona rehetra liana amin’ny resaka famakiana boky ny fandalovan’ity sambo ity ao Antsiranana sy ao Toamasina.

Tapakila ho an’ny mpianatra miisa 100

Karazan’olona maro no heverina ho tonga hitsidika ity sambo ity fa indrindra ny mpianatra. Noho izany indrindra dia nanapakevitra ny ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, fa hiantoka ny tapakila fidirana ho an’ny mpinatra miisa 100 avy amin’ireo ivon-toeram-panofanana ao Diego. Toa izao aza ny fitsinjarana izany :
. LTP Pk4 industriel 60
. LTP Pk3 commercial 30
. CFP Antsiranana. 10
Tsara ny manamarika fa 1 500 ariary isan’olona ny vidim-pidirana ho an’ireo 13 taona ka hatramin’ny 64 taona. Mamaim-poana kosa izany ho an’ny ankizy latsaky ny 12 ka misy olon-dehibe manaraka, sy ho an’ireo olona 65 taona noho miakatra. Fantatra ihany koa fa afaka mandray olona hatramin’ny 10 000 ity tranomboky mitsingevana ity.
Aorian’ny fandalovany ao Antsiranana dia hihazo an’i Toamasina indray ity sambo ity ka hiantsona ao ny 17 novambra ka hatramin’ny 12 desambra.

Lire la suite

Articles Similaires