• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fv
Image
Vaovao

Fampielezan-kevitra : Miroso foana, na nahemotra aza ny fifidianana

19/10/2023 16:14 © Moov.Mg

Na nahemotra ho amin’ny faha-16-n’ny volana novambra aza ny fotoana hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia efa miroso foana ny fampielezan-kevitra, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana, araka ny tetiandrom-pifidianana efa napetraka.

30 andro mialohan’ny « silence éléctoral »

Raha ny lalàna dia tokony ho 30 andro mialohan’ny andro fahanginana mialohan’ny fifidianana (silence éléctoral) no hanatanterahana ny fampielezan-kevitra, raha ny fampahatsiahivana nataon’ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane. Araka izany, tsy maintsy mitsahatra ny fampielezan-kevitra, 24 ora mialohan’ny andron’ny 16 novambra, izany hoe : ny andron’ny 15 novambra 2023, mba hahafahan’ny mpifidy maka fotoana ieritreretana. Tsy nahemotra ny fiantombohan’ity fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ity, fa notazonina, nanaraka ny tetiandrom-pifidianana ihany.

Samy hafa amin’ny hetsika pôlitika

Namerina nampahatsiahy ihany koa ny tonia mpanatanteraky ny CENI, fa tsy tokony afangaro ny hetsika pôlitika sy ny fampielezan-kevitra. Ny fampielezan-kevitra, hoy izy, araka izay anarany izay, dia fampielezana ireo hevitra heverin’ny kandida fa hampahafantarana ny momba azy sy ny fandaharan’asany, ka hahafahany mandresy lahatra ny mpifidy mba handrotsa-bato ho azy. Andrasana amin’ireo kandida mihitsy izany fampahafantarana izany, satria zon’ny mpifidy mahalala, mba hahafahany mandray fanapahan-kevitra mazava ny amin’izay olona tiany hofidiana hitondra ny fireneny. Tsy maintsy manaja ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna velona rehetra misy eto amin’ny firenena ary ny soatoavina malagasy izany fanaovana fampielezan-keitra izany, hoy hatrany ny fanazavana.

Lalàna sy soatoavina

Misy lamina napetraky ny lalàna anefa ho an’ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra, fa tsy mandeha ho azy fotsiny, hoy Ravaoharinirina Hanitriniaina. Tsy mila mangataka alalana ireo kandida, fa kosa tokony mampahafantatra ny fandaharam-potoanan’ny fampielezan-keviny. Ny antony dia satria maromaro ireo Kandida, ka natao izany mba handaminana ny toerana ahafahan’izy ireo mihaona amin’ny vahoaka. Ny CENI sy ireo tomponandraiki-panjakana ao amin’ilay toerana hanatanterahana ny fampielezan-kevitra, toy ny eo anivon’ny kaominina, ohatra, no mandrindra izany. Fampahafantarana no atao, hoy ny fanamarihan’ny tonia mpanatanteraky ny CENI, mba tsy hisian’ny fiheverana fa misy fitondrana mitanila amin’ireo samy kandida.

Lire la suite

Articles Similaires