• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika : Voatendry ireo mpikambana vaovao

19/10/2023 15:11 © Moov.Mg

Noraisin'ny Filàn-kevitry ny Minisitra omaly 18 oktobra 2023, ny Didim-panjakana fankatoavana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika, na Commission de Contrôle du Financement de la vie politique (CCFVP), taorian’ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ireo mpikambana teo aloha.

Voafaritry ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana

Ny fanaraha-maso ny vola miditra sy ny fandaniana ataon’ireo antoko pôlitika nanolotra Kandida ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena, no anjara andraikitry ny CCFPV. Enim-bolana mialoha ny datim-pifidianana, izay fe-potoana farany tokony hanendren'ireo Kandida ny mpitam-bolan'ny fampielezan-keviny, raha ny tokony ho izy, no manomboka miasa ireo mpikamban'ny CCFPV. Ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 momba ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana, tamin’ny 11 may 2018, no mamaritra ny mombamomba sy ny asan’ny CCFPV.

Mpikambana miisa 5

Voalaza ao amin’ny andininy faha-89, andalana voalohany ao amin’io fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana io fa miisa dimy ny mpikambana mandrafitra ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fiainana ara-politika. Ny telo amin’izy ireo dia Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty na « Cour des Comptes », ka ny filohan’izany rafi-pitsarana izany no manendry azy ireo. Ny roa amin’ireo mpikambana kosa dia manam-pahaizana momba ny kaonty na « experts comptables » izay tendren’ny Filohan’ny holafitry ny « experts comptables ». Ireto avy ny anaran’ireo Mpitsara voatendry ho mpikambana vaovao eo anivon'ny CCFPV : RAHARIMALALA Lydia Clémence, RAKOTARIVELO Daudet, RAKOTOMALALA Mbolanoronambinina Nathalie. Ireo “expert-comptables” natolotry ny holafitry ny "experts comptables" kosa dia RAKOTOMAHANINA Genlis sy RANDRIAMANANANDRO Hervé Tsiahivina. Marihina fa telo volana aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana dia tokony manolotra ny tatitry ny fitantanam-bolany amin’ny CCFVP ny kandidà rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires