• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Atsimondrano : Vehivavy mpivarotra rongony voasambotra

19/10/2023 11:24 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny ezaka manokana hamongorana ireo mpanaparitaka sy mpivarotra rongony manerana an'i Madagasikara. Teny Atsimondrano teny no nahatratrarana vehivavy iray nivarotra rongony. Teny Akaraobato teny moa izy no nanao ny asa ratsiny.

Voararan'ny lalàna ny fanaparitahana sy ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Miandahy miambavy nefa ireo mbola mifantoka amin'izany, noho ny fitadivam-bola na fahafinaretana. Omaly 18 oktobra dia nahatratra vehivavy iray nivarotra rongony ireo polisy miasa ao Antsimondrano. Rehefa nosavaina izy dia nahitana rongony milanja 2 kg izay efa notsinjaraina anaty sachet miisa 200. Marihana fa olon-tsotra no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana ka nahafahana niroso tamin'ny fisamborana.
Mitohy ny fanadihadihana hahafantarana ny mpamatsy azy sy ny toerana rehetra izay ivarotany zava-mahadomelina.

Lire la suite

Articles Similaires