• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Ambatomainty : Nisintona jiro tao amina Cash point ny Mpanjaitra sy ny « Poissonnerie »

18/10/2023 19:03 © Moov.Mg

Tranga efa zary fahita eny anivon’ny fiaraha-monina eny ny halatra jiro. Anisan’ny antony iray mitarika ny olona miditra amin’izany ny tsy fananana fahafahana mampiditra jiro. Nahatratrarana halatra jiro ary teny Ambatomainty teny tamin’ity herinandro ity.

Cash point mpamatsy herinaratra antsokosoko

Cash point iray eny Ambatomainty eny no tratran’ny jirama namatsy herinaratra ny mpanjaitra iray sy poissonnerie iray. Ao amin’ilay cash point no misintona ny jiro izay ampiasainy amin’ny asany andavanandro ireto farany araka izany. Izao tratran’ny jirama izao anefa ny tsy fanarahan-dalàna izay nataon’izy ireo.

Halafon’ny saran’ny fampidirana jiro

Anisan’ny antony iray mitarika amin’ny halatra herinaratra toa izao anefa ny halafosan’ny saran’ny fampidirina jiro. Tsy latsaky ny 300 000 ariary tokoa mantsy io sarany io amin’ny ankapobeny. Sarotra ho an’ireo fianakaviana sahirana anefa ny manefa izany, ka manosika azy ireo hiroso amin’ny halatra. Na izany na tsy izany aza anefa dia tsara ny mampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny halatra izay mety hiseho amin’ny endriny maro. Nanamafy izany ny Jirama ary nampahafantatra ny rehetra fa mety hiteraka sazy sy olana ny fangalarana herinaratra sy rano toa izao.

Manoloana ny trangana tsy fanarahan-dalàna toa izao dia miantso ny rehetra ny Jirama mba hampilaza azy ireo avy hatrany. Miteraka faty antoka ho an’ny orinasa fa ihany koa manaratsy ny kalitaon’ny jiro sy rano tonga any an-tokatranon’ny tsirairay ny halatra hoy hatrany ny Jirama.

Lire la suite

Articles Similaires