• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fanofanana teknika sy arak’asa : Hamafisina ny ady amin’ny herisetra ara-nofo

18/10/2023 18:58 © Moov.Mg

« Miasa miaraka isika mba hametrahana tontolom-pianarana mirindra sy voaaro ho fanajana sy fanohanana ny mpiofana tsirairay. » Io no foto-kevitra ijoroan’ny atrikasa izay tanterahana ao amin’ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny 17 ka hatramin’ny 19 oktobra.

Hetsika fanoherana ny herisetra

Mitodika manokana amin’ny fanoherana ny herisetra ara-nofo izay mety hahazo ireo tovovavy eny anivon’ny ivon-toeram-panofanana Teknika sy arak’Asa ity hetsika izay tanterahana ao Vakinankaratra ity. Tranga matetika hita eny anivon’ny sehatry ny fampianarana tokoa mantsy ny herisetra ara-nofo, ary mety hiaran’izany na ny lahy na ny vavy. Miseho amin’ny fomba maro samihafa izany herisetra ara-nofo izany, toa ny fikasiha-tànana sy ny fikitihana faritra mamoa-fady tsy nahazoana alàlana. Araka ny antontan’isa nomen’ny Transparency International dia 80% ny mpianatra eny anivon’ireny ivon-toeram-panofanana Teknika sy arak’Asa ireny no hiaran’ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara.
Mbola tsy mahavantana firy loatra ny firesahana mahakasika ny fananahana eto Madagasikara. Maro anefa ireo olona, ary indrindra indrindra, ny vehivavy no iharan’izany herisetra ara-nofo izany. Saika ahitana izany avokoa na ny eny anivon’ny tokatrano, na ny eny amin’ny toeram-piasana, fa ihany koa ny eny amin’ny toeram-pianarana samihafa.

Atrikasa hitadiavam-bahaolana

Maharitra telo andro ity atrikasa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa Trade For Decent Work ity. Hetsika izay karakarain’ny Bureau Pays de l’OIT ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles izy araka izany, ary vatsian’ny Union Européenne sy ny governemanta Finlande vola. Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’izany fitadiavana vahaolana manoloana ny herisetra ara-nofo izay mianjady amin’ny vehivavy izany ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny governoran’ny faritra Vakinankaratra ary ireo tompon’andraikim-panjakana samihafa.
« Tsy mijanona eo amin'ny fanentanana fotsiny izao hetsika izao fa mitarika ny fahatongavan-tsain'ny besinimaro mba hisian'ny fiovan-toetra sy ny fihetsika. » hoy ny ministra Vavitsara Rahantanirina Gabriella nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony. Mitodika manokana amin’ny herisetra ara-nofo izay mety hiseho eny anivon’ireo ivon-toeram-panofanana Teknika sy arak’Asa tokoa manko ity atrikasa ity, ka rariny dia rariny raha mandray ny andraikitra tandrify azy ny ministera.
Mandritra io telo andro io dia mijery akaiky ireo fomba fiasa entina manohitra izany herisetra izany ireo rantsa-mangaika rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires