• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn_Antananarivo
Image
Vaovao

Betafo Antsirabe : Zaza 6 taona no maty vokatry ny olana ara-pitiavin’ny lehibe

18/10/2023 18:38 © Moov.Mg

Herinandro maromaro lasa izay dia nitrangana vono olona feno habibiana tany Betafo Antsirabe.

Olana ara-pitiavana

Zazalahy kely vao 6 taona no namoy ny ainy tamin'ny fiandohan'ity volana oktobra ity. Olana ara-pitiavana nisy teo amin’ny renin'ilay zaza sy ny lehilahy niaraka taminy no nahatonga izao tranga izao.
Vokatry ny olana nisy teo amin'ilay ramatoa sy ilay lehilahy dia nisara-toerana nandritra ny andro maromaro izy ireo. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nangataka tamin’ilay vehivavy ny mba hampodiana azy amin’izay ilay lehilahy. Tsy nanaiky intsony anefa ilay vehivavy taorian’ny tsy fifanarahana nisy teo amin’izy mivady. Niteraka alahelo sy fahatezerana teo amin’ilay lehilahy izany ka nanomboka teo no nitsiry ny hevi-dratsiny.

Vola 10 tapitrisa ariary

Ny 02 oktobra 2023 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo ary dia nalain’ilay lehilahy tany am-pianarany ilay zanaky ny vadiny vao 6 taona. Nentiny nitsaoka ity zaza rehefa izany. Tamin’ny 04 ora tolak’andro dia nampandre ny zandarimaria ny pasitera iray ao an-tanàna fa nalain’ny raikeliny an-keriny ny zaza 6 taona. Fantatra ihany koa fa nitaky vola 10 tapitrisa ariary ilay lehilahy ho tambin’ny famotsorana ilay zaza.

Famonoana feno habibiana

Ora vitsy taorian’ny fakana an-keriny dia novonoin’ity tsy mataho-tody tamin’ny fomba feno habibiana ilay zaza. Mbola notakiany hatrany anefa ilay vola 10 tapitrisa ariary na dia izany aza. Taorian’ny nandevenany ilay zaza tao anaty alaala no tratehaky ny zandary ity lehilahy ity ny 03 oktobra 2023 rehefa izy lasa nitsaoka iny. Natao ny famotorana ary niaiky ny helony ilay lehilahy. Natorony ny zandary ihany koa ny toerana nandevenany ilay zaza ary notantarainy tamin’ny antsipirihany ny fomba namonoany ilay zaza.
Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia olana ara-pitiavana no nahatonga izao famonoana zaza izao. « Tsy nahazaka ny fisarahana ralehilahy, ary indrindra tsy zakany ny hahita an’ilay vehivavy vadiny ho sakambin’ny hafa ka ilay zaza no tsy maintsy nanalàny ny fony », hoy ny zandary nitondra fanazavana.
Tranga mety hiseho eny amin’ny fiaraha-monina ny toa izao. Zava-dehibe, noho izany, ny fanentanana ny rehetra mba hiala alavitra ny fanaovana herisetra toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires