• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Birao fandatsaham-bato « fictif » : Fanelezana vaovao tsy marina, hoy ny CENI

18/10/2023 17:31 © Moov.Mg

Nitondra fanazavana mikasika ireo fanakianana marobe miantefa amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo androany, indrindra ny momba ny resabe miely tao ho ao, mahakasika ny fisian’ny birao fandatsaham-bato tsy misy akory (Bureaux de vote fictifs).

Birao fandatsaham-bato mifandrohy amin’ny fokontany

Fanelezana vaovao tsy marina na fandisoana vaovao iniana atao ny filazana fa misy izany birao fandatsaham-bato « fictifs » izany, hoy ny filohan’ny CENI androany. Nohizingizininy fa tsy mitombina mihitsy ny mety hisian’izany tao anatin’ity fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ity. Tsy ho azo natao mihitsy, hoy izy, ny hoe : olombelona « fictif » omena karapanondro « fictif ». Nandritra ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy mantsy dia tsy maintsy ny vatan-tenan’ilay mpifidy no mitondra ilay karapanondro, nentina nameno ny FIRE (fiche individuelle de recensement des électeurs), na ilay takelaka nanaovana fanisana ny mpifidy. Etsy an-daniny, tsy maintsy mifandrohy amina fokontany anankiray ireo birao fandatsaham-bato. Efa nisy ny fampitoviana ny antontan’isa momba ny fokontany misy eto Madagasikara, teny anivon’ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, amin’izay antontan’isa misy eo am-pelatanan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana, hoy i Dama Arsène Andrianarisedo, ary afaka manamarina izany ity Ministera ity.

Voaaro ny biletà tokana

Momba ny mety ho fialana an-daharan’ireo Kandida indray dia nanamarika ny filohan’ny CENI fa tsy azo atao intsony ny misintona ny taratasy filatsahan-ko fidiana, rehefa naterina teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izany, araka ny andininy faha-13 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-009 mikasika ny fifidianana. Raha ny momba ny ahiahy ny amin’ny mety ho fisian’ny biletà tokana hosoka, dia nanazava izy fa misy fomba fiarovana (système de sécurisation) napetraka amin’izy ireo. Mahalala izany ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy misy fomba azo anaovana hosoka ireo biletà tokana ireo mihitsy, araka izany, raha ny fanamafisana nataon’i Dama Arsène Andrianarisedo.

Lire la suite

Articles Similaires