• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marcellin Rakotoson
Image
Vaovao

Mpianatry ny Anjerimanontolo : Manome 72 ora hamahana ny olan’ny ambaratonga ambony

18/10/2023 16:16 © Moov.Mg

Efa volana maromaro izay no tsy nitohy intsony ny fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo. Efa mizotra tsikelikely anefa ny fanadinana hidirana amin’ny taona voalohany, ho an’ireo vao afaka fanadinana bakalôrea teo. Manoloana izany sy eo anatrehan’ireo olana marobe sedrain’ny Oniversiten’Antananarivo dia nanao fanambarana androany ireo fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 23.

Fotodrafitrasa efa antitra

Fitakiana maromaro no voarakitr’ity fanambarana ity, ka ny momba ireo tranon’ny mpianatra no voalohany amin’izany. Mangataka ireo mpianatra mba hahafahana mipetraka amin'ny trano vaovao eny Ankatso 2 sy ny famitana ireo pitsopitsony mbola tsy vita. Takian’izy ireo ihany koa ny hanamboarana ireo tranon’ny mpianatra may eny Ankatso sy eny Vontovorona. Nomarihin’izy ireo ihany moa fa efa antitra loatra ireo fotodrafitrasa misy eny anivon’ny trano fonenanan’ny mpianatra, ka mahatonga fiparitahan’ny loto, fahalotoan’ny rano vokatr’ireo fantsona efa arafesina, ireo mpitondra herinaratra efa tsy araka ny tokony ho izy intsony ka ahiana hitera-doza. Efa nisy mihitsy aza ny mpianatra namoy ny ainy, vokatr’ireo olana ireo, raha ny fanambarana. Ny tsy fandriampahalemana ihany koa dia voalaza fa tena manjaka eny amin’ny faritry ny fonenan’ny mpianatra.

Fikatsoan’ny fampianarana

Ankoatra izay dia mitaky amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ireto fikambanan’ny mpianatra ireto mba hamaha ireo olana mitarika ny fikatsoan’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, izay efa naharitra volana maro izay. Efa lany, hoy izy ireo ny vatsy ary ny toeram-podiana lavitra, ka miandrandra ny hitohizan’ny fampianarana amin’izay izy ireo. Ankoatra izay dia nomarihin’ireto mpianatra ireto fa nisy endrika tsy fanajana ny faritry ny oniversite, na ilay atao hoe : « franchise universitaire » maromaro nitranga tato ho ato. Isan’izany ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana ao anatin’ny faritry ny Anjerimanontolo sy ny fampiasana ny fotodrafitrasan’ny oniverite hanaovana hetsika ara-pôlitika. Takian’izy ireo ny hanajana izany « franchise universitaire » izany. Farany dia miantso ny amin’ny tokony hamahan’ireo Raiamandreny ny olana misy eto amin'ny firenena ireo mpianatra, mba ho fitsinjovana ny ho avin’izy ireo.

72 ora no omen’ireto mpianatra ireto mba hitondran’ny Fitondram-panjakana vahaolana amin’ireo karazana olana rehetra notanisain’ny fanambaran’ny mpianatra ireo.

Lire la suite

Articles Similaires