• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Mitohy ny fizarana kara-pifidianana eny anivon'ny fokontany

18/10/2023 16:04 © Moov.Mg

Azon'ireo olom-pirenena rehetra nisoratra anarana tamin'ny lisi-pifidianana atao tsara ny maka ny kara-pifidianana eny amin'ny biraom-pokontany honenana. Io karatra io no ho ampiasain'ny mpifidy, amin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa.

Iray volana sisa dia ho tanterahina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Raha tokony ny 9 novambra no nanatontosana izany dia nahemotra ny 16 novambra, araka ny fanapahan'ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC). Efa herinandro vitsivitsy izay no nanomboka ny fizarana ny kara-pifidianana eny anivon'ireo fokontany tsirairay. Misitraka izany avokoa na ireo nisoratra anarana tamin'ny fisoratana anarana andiany voalohany na ny tamin'ny fanalavam-potoana.
Ny fitondrana kara-panondro moa no hahazoana izany kara-pifidianana izany. Misy kosa ireo fokontany efa mametraka lamina manokana mba hizarana ireo kara-pifidianana isan-tokantrano.
Tsy ny eto Antananarivo ihany no efa mahazo kara-pifidianana. Mandeha tsara ny fizarana izany na any amin'ny faritra aza, na an-drenivohitra na any ambanivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires