• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Novethic
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Mbola avo 3 heny amin’ny fenitry ny OMS ny tahan’ireo singa mandoto rivotra eto Antananarivo

18/10/2023 15:15 © Moov.Mg

Nihatsara ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo, raha ny fampitam-baovao momba ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra navoakan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly 17 oktobra 2023. Na izany aza, mbola maloto izany rivotra izany, ka mbola mety hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ireo olona sarotiny.

Efa misy fihatsarany

Mbola havesatry ny loto ny rivotra eto Antananarivo mandritra ny telo andro, raha ny fandinihan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro, na dia efa mihatsara aza ny kalitaony. Mbola avo 3 heny amin’ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) ny tahan’ny singa madinika eny amin’ny rivotra (PM2,5) raha ny hita tany Ampandrianomby, Andraharo, Soanierana, Antsakaviro ary Andranomena. Noho izany indrindra dia tokony hitandrina ireo olona sarotiny, satria mbola ahiana hiteraka aretina ho azy ireo ny loton’ny rivotra. Tena kely mantsy ireo singa PM 2,5 ireo, ka afaka miditra lalina any anatin’ny havokavoka, hatrany anaty lalandrà mihitsy aza, hoy ny INDRI na “Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”, izay sampan-draharaha miady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana

Arakaraky ny tahan’ny PM 2,5 ao amin’ny rivotra ny fiantraikany eo amin’ny fahasalamana. Raha eo anelanelan’ny 0 hatramin’ny 12 µg izany dia tsy atahorana loatra hiteraka olana ara-pahasalamana. Raha eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 35 µg, dia ireo olona tena sarotiny no ahiana ho tratran’ny olana ara-pahasalamana madinika, raha miaina ao anatin’izany mandritra ny 24 ora. Miharatsy kosa ny kalitaon’ny rivotra rehefa tonga eo anelanelan’ny 35 hatramin’ny 55 µg ny tahan’ny PM 2,5, ka mety hiteraka olana bebe kokoa eo amin’ny fahasalaman’ireo olona sarotiny. Manomboka eo amin’ny 55 hatramin’ny 150 µg dia saika efa mahatsiaro ny fiantraikan’ny loton’ny rivotra daholo ny sarababem-bahoaka ary mihamafy ny olana ara-pahasalamana eo amin’ireo olona sarotiny. Eo anelanelan’ny 150 hatramin’ny 350 µg dia efa tena ratsy ny loton’ny rivotra ary efa tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana, raha maharitra 24 ora no ifohana izany rivotra izany. Raha mihoatra ny 350 µg moa, dia efa tena zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny loton’ny rivotra.

Olan’ny fahasalamam-bahoaka

Mifandray amin’ny doro tanety ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra mitranga ankehitriny, raha ny nambaran’ny INDRI. Ity olana ity moa dia vao mainka manampy trotraka ny fahalotoana efa misy mandavan-taona eto Antananarivo, toy ny setroka avoakan’ny fiara, ny setroky ny orinasa ny doro fako, ny fandorana biriky... Ilaina fandraisana andraikitra haingana izany rehetra izany, mba tsy ho tafakatra ambony loatra ny tahan’ny PM 2,5 ary ho lasa olan’ny fahasalamam-bahoaka ireo aretin’ny taovam-pisefoana, ny aretin’ny lalandra, hatramin’ny aretin’ny atidoha, toy ny Alzheimer.

Lire la suite

Articles Similaires