• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Docteur Fitness
Image
Vaovao

Herisetra eto Madagasikara : Azo atao ny miverina amin’ny fototry ny Fihavanana

18/10/2023 15:10 © Moov.Mg

Miaina ao anaty korontana sy fifampiantsiana ny samy Malagasy amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, noho ny hevitra tsy mitovy. Samy manana ny Kandida arovany sy ny firehany ara-pôlitika, saingy tsy ny hevitra intsony no miady, fa ny olona samy olona mihitsy.

Fotoana ampahatsiahivana ny atao hoe : Fihavanana Malagasy izao, ary iverenana amin’ny tena fototr’izany soatoavina manana ny maha-izy azy izany. Fanazavana nentin-dRamamimampionona Gérard, mpandalina fiaraha-monina sady mpanabe ary efa filoha lefitry ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) teo aloha.

Mifototra amin’ny aina

Ny teny hoe : « Fihavanana », hoy izy, dia an’ny Malagasy irery ihany, fa tsy misy firenena manana teny mitovy hevitra aminy. Mahafoaka zavatra maro ny Fihavanana, satria mahadika ny teny frantsay betsaka, toy ny « union », « amitié », « solidarité », « communion ». Ny Fihavanana, araka ny nambarany dia mifototra amin’ny aina. Ho an’ny Malagasy, ny aina no mampihavana ny olombelona rehetra, izany hoe : iray aina avokoa ny olombelona, araka ilay fomba fiteny manao hoe : tanan-kavia sy havanana, izay didia-maharary. Noho izany indrindra dia manana andraikitra miara-mamelona, miara-miaro ary miara-mampivelatra ny aina ny olombelona rehetra.

Mila miara-miasa mba handroso

Tsikaritra anefa, amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao, fa mihavery io fihavanana io. Re matetika tato ho ato ny fampiasana herisetra eo amin’ireo mpanohana kandida samy hafa. Mihamihotakotaka ny olona, tsy mahatsiaro ho mandry fahalemana intsony, manoloana ny zava-misy. Raha ny fanazavan’i Gérard Ramamimampionona dia ny Fihavanana no mahatonga ny fandriampahalemana sy ny fifanajana, ho an’ny Malagasy. Ny Fihavanana no mitandro ny aina, ka tsy sahin’ny Ntaolo ny nangalatra tain’omby mivadika, satria misy tompony iny, hampiasa azy ho zezika na ahandroana sakafo, izany hoe : amelomana ny aina. Miitatra amin’ny sehatra rehetra io fitandroana ny fihavanana sy ny aina io, hoy hatrany izy, ka mila miara-mihevitra ny rehetra mba ahafahana miaro ny aina, mila mifanome tanana mba ahafahana miara-miasa, mila miara-miasa mba ahafahana mandroso.

Teny ierana ifampifehezana

Ny fitandroana ny fihavanana dia mitarika fifampitsimbinana, mitarika fanaovana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana sy ny fanajana ny hafa. Ny olona mitandro ireo, araka ny nambaran’ity filoha lefitry ny CFM teo aloha ity, no atao hoe : olon’ny fihavanana. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fifampiresahana, satria tsy mankasitra ny « didiko fehy lehibe » ny malagasy. Teny ierana ifampifehezana no fahaiza-miainan’ny Malagasy. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia mikatso ny fifampidinihana eo amin’ireo Kandida sy ny mpomba azy avy. Maro ireo olom-baventy no miantso ho amin’ny fiverenana an-databatra boribory, mba hiaraka hitady vahaolana. Ny antenaina dia ny hiverenan’ny rehetraamin’ilay fototry ny Fihavanana, ka samy hitsimbina ny ain’ny Malagasy, araka ny filazan’i Gérard Ramamimampionona manao hoe : potika ny fihavanana, fa tsy midika anefa izany hoe : tsy azo tadiavina intsony.

Lire la suite

Articles Similaires