• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Asa Vaventy : Mbola vitsy ny vehivavy miasa eny an-kianja

17/10/2023 22:38 © Moov.Mg

Notontosaina omaly alatsinainy ny atrikasa fampahafantarana mikasika ny miralenta sy ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny ministeran’ny Asa Vaventy.

Asa natao ho an’ny lahy sy ny vavy

Noresahan nandritra io atrikasa io ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina malagasy ny miralenta. Ao anatin’izany indrindra ny mahakasika ny fivelaran’ny vehivavy ao anatin’ny sehatry ny asa vaventy. Matetika loatra tokoa manko no mihevitra ny olona fa natokana ho an’ny lehilahy irery ihany ny asa mifandraika amin’ny asa vaventy sy ny tao-trano. Tsy mahazatra ny fiarahamonina loatra ny mahita ny vehivavy miasa eny an-kianja.
Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena dia mbola vitsy ny vehivavy misafidy ny hisehatra ao anatin’ny Asa Vaventy. Tokony ho vehivavy tokoa mantsy no mandrafitra ny folo isan-jaton’ny mpiasa eny an-kianja (chantier). Mbola tsy voahaja anefa io taha io amin’izao fotoana, raha ny nambaran’ny ministeran’ny Asa Vaventy. Tsara anefa ny manamarika fa asa natao ho an’ny lahy sy ny vavy toa ny asa rehetra ny ao anatin’ny sehatry ny asa vaventy izay ahitana fanamboaran-dàlana sy fanamboarana fotodrafitrasa lehibe.

Vehivavy mandray andraikitra

Zava-dehibe ho an’ny fivoarana ny fitovian’ny fahalalahan’ireo tompon’andraikitra na lahy na vavy, sy ny hisian’ny ara-drariny (équité) ary ny fitoviana (égalité). Mitana toerana iray lehibe izany indrindra eo anivon’ny sehatry ny asa làlana. Anisan’ireo firenena mbola tsy manaja ny miralenta i Madagasikara. Mbola teo amin’ny laharana faha 84 amin’ny firenena 144 no nisy an’i Madagasikara raha ny fanajana izany miralenta izany no jerena, araka ny atontan’isa nomen’ny UNFPA ny taona 2020.
Anisan’ny mbola olana amin’ny tsy fanajana ny miralenta ny famaritan’ny fiaraha-monina ny andraikitra tokony ho sahanin’ny lahy sy ny vavy. Toa ny lahy dia mitana anjara toerana amin’ny fampiroboroboana ny sehatr’asa rehetra anefa ny vehivavy. Nivoitra nandritra izany atrikasa izany aza ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ireo asa sy tetikaa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Nojerena manokana nandritra izany ihany koa ire herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hita eny amin’ny sehatry ny asa làlana.

Lire la suite

Articles Similaires