• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vegalia
Image
Vaovao

Mitana ny famokarana ny kakao tsara kalitao indrindra i Madagasikara

17/10/2023 22:34 © Moov.Mg

Seha-pihariana iray ahitana ny fandraisana anjara mavitrik’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny kakao. Anisan’ireo vokatra fanondrana izay tena mampiroborobo ny toekarena malagasy tokoa raha ny kakao. Anisan’ireo tsara kalitao indrindra maneran-tany manko ny vokatra malagasy raha ny kakao no resahana.

Voahosotra ho kakao tsara kalitao indrindra

Mitana ny laharana voalohany amin’ny famokarana ny kakao tsara kalitao indrindra eran-tany ny vokatra malagasy. Ny alakamisy 12 oktobra lasa teo no namoahan’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Kakao na ny ICCO ny lisitr’ireo firenena tafiditra tao anatin’ny tovana C, ka i Madagasikara no nitana ny laharana voalohany.
Raha hatao ny jery todika dia ny 13 sy ny 14 jona lasa teo dia nandray ny fivoriana lehibe iraisam-pirenena izay nampivondrona ireo manam-pahaizana manokana ny kakao tsara kalitao indrindra i Madagasikara. Nijery akaiky ireo atontan-kevitra mahakasika ny kakao tsara kalitao indrindra ireo manam-pahaizana 12 mianadahy avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa kakao. Anisan’ireo nojeren’izy ireo tamin’izany ny mahakasika ny vokatra malagasy.

Hampiroborobo ny toekarena

Mampiakatra indray ny lazan’ny kakao malagasy ny fahazoana izao toerana voalohany amin’ny resaka kalitao izao. Antenaina fa hanampy amin’ny fampiroboroboana ity seha-pihariana ity izao vokatra tsara izao. Nandrafitra ny 11,5% ny harikarena faobe teto Madagasikara tokoa mantsy ny seha-pihariana kakao ny taona 2019, araka ny fikarohana nataon’ny Madamarket Export.
Araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana dia misy fiatraikany amin’ny vidin’ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izao fahazoantsika ny laharana voalohany izao. Nambaran’ny ministera ihany koa fa efa nahitana fiakarany be ny vidin’ny kakao eny amin’ny mpamboly. Tsy nanome atontan’isa mazava moa ny ministera na izany aza.
Raha Ambanja manokana izao no jerena dia tafakatra hatamin’ny 15 taonina ny vokatra novokariny nandritra ny taom-pamokarana 2022-2023. 37 tapitrisa dolara no vola azo tamin’izany, ary manodidina ny 80%n-ny mponina ao amin’ity distrika ity no mivelona amin’ny kakao. Ny fahazoana izao laharana voalohany izao dia mbola hanampy amin’ny fampitomboana ny tombom-barotra ho azon’i Madagasikara ao amin’ny seha-pihariana Kakao.

Lire la suite

Articles Similaires