• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Fitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly : Maromaro ireo Ben’ny tanàna manan-draharaha eny

17/10/2023 15:59 © Moov.Mg

Maromaro, teo aloha teo, ireo Ben’ny Tanàna miakatra eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly, na ny PAC. Misy amin’ireo Ben’ny tanàna mantsy no tsy mahafehy tsara ny asany, indrindra ny momba ny fitantanam-bola, hany ka lasa miendrika kolikoly izany, antony itorian’ny olona azy eny amin’ny PAC.

Tsy mahafehy ny fitantanam-bola

Loham-piampangana isan-karazany no itorian’ny olona ny Ben’ny tanàna eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly, raha ny fanazavan-dRabarijaona Rivo Nandrianina, mpandrindra nasionalin’ny PAC. Isan’izany ny fanararaotam-pahefana, ny fanodinkodinana ny volan’ny kaominina, ny fanomezana tombony manokana (favoritisme) sy nymaro hafa. Amin’ny tranga sasany dia tsy mahafehy ny fitantanana ara-bola teny anivon’ny kaominina intsorohany izy ireo, ka lasa mivadika ho resaka kolikoly izany, rehefa tonga eny amin’ny fitsarana ny raharaha. Noho izany indrindra dia nisy, androany, ny fampiofanana ireo mpitsara eo anivon’ny PAC, momba ny fandraisana an-tanana ireo raharaha mahakasika Ben’ny tanàna, ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Iarahan’ny PAC miasa amin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI) izany fampiofanana izany.

Praogramam-panofanana ho an’ny Ben’ny tanàna

Tsy mijanona hatreo ny fiaraha-miasa fa hitohy amin’ny fampiofanana ireo Ben’ny tanàna, ary hiompana amin’ny Fanjakana tsara tantana izany. Hampahafantarina ireo Ben’ny tanàna amin’izany ny zavatra miandry azy, amin’izay mety ho fitantanana tsy mety hataony, ho fisorohana ny fanasaziana. Tokony hisitraka fanofanana ny ben’ny tanàna, hoy Razafimandimby Tsiry, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny CSI. Efa mamolavola ny praogramam-panofanana sahaza azy ireo ny rafitra 5 miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, araka ny fanazavany, iarahana amin’ny Ivon-toeram-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL). Ady ifandrimbonana mantsy ny ady amin’ny kolikoly, hoy izy, ary tafiditra ao anatin’ny iraky y CSI ny fanaovana tan-tsoroka ho an’ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly ireo.

Lire la suite

Articles Similaires