• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : miantso ny depiote hijoro ho mpanelanelana i Christine Razanamahasoa

17/10/2023 15:35 © Moov.Mg

Nafampana ny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimierampirenena ho an’ity taona 2023 ity, androany teny Tsimbazaza.

Nizara roa niavaka tsara ireo solombavambahoaka, ka ny ankilany, miaraka amin’ny vondron’ireo kandida 11, nitondra sora-baventy mirakitra fanoherana ; tetsy an-kilany kosa, ireo depiote miakanjo volomboasary, namaly ny fanoheran’ireo solombavambahoaka miakanjo fotsy. Ny kabary fanokafan’ny filohan’ny Antenierampirenena anefa dia niompana kokoa tany amin’ny fitadiavana fitoniana sy fikaroham-bahaolana miaraka.

Tsy midika faharesena ny fifanatonana

Tsy ilaozan-dromoromo ny politika fa ny fifidianana ihany, na ny fifampiresahana an-databatra boribory no afaka mamarana azy, hoy Razanamahasoa Christine, filohan'ny Antenierampirenena, tao anatin’ny lahateny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimierampirenena nataony, androany talata 17 oktobra 2023. Misy, hoy izy, ny tsy fitoviam-pijery amin’ireo mpifaninana. Mahatonga fitarihana olona hidina an-dalambe mba hitakiana vahaolana izany, ho an’ny an-daniny, raha toa kosa ka ny hiroso hatrany araka ny Lalàmpanorenana, no imasoan’ny an-kilany. Tsy midika faharesena na fahambaniana anefa ny fifanatonana, hoy hatrany Razanamahasoa Christine, noho izany dia miantso ny hisian’ny fifampiresahana an-databatra boribory izy.

Tokony hosorohina ny fampiasan-kery

Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra dia nanentana ny rehetra mba hanaja ny zo maha-olona sy hisoroka ny fampiasan-kery sy ny fifandranitana amin’ny endriny rehetra, na avy amin’ny andaniny, na ny ankilany, ny filohan’ny Antenimierampirenena. Nomarihany fa ao anatin’izao krizy andalovan’ny firenena izao dia mijanona ho mpanelanelana ny Antenimierampirenena. Noho izany dia nanentana ireo solombavambahoana Razanamahasoa Christine ny mba tsy hampidirina ity rafitra ity amin’ny fanehoan-kevitra ataon’izy ireo any ivelany. Samy manana ny heviny ny solombavambahoaka tsirairay, hoy izy, saingy ankoatra ny maha-mpanao lalàna dia manana andraikitra izy ireo ao anatin’ilay atao hoe : « mediation parlementaire », ka tokony hijoro mba hisoroka ny fifandrafesana lalina eo amin’ny samy mpiray tanindrazana.

Kotaba sy siotsioka

Nanatrika ity lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimierampirenena ity i Ntsay Christian, Praiminisitra lehiben'ny Governemanta ifarimbonana, ny jeneraly Ravalomanana Richard filohan'ny Antenimierandoholona sy i Dama Arsène Andrianarisedo filohan'ny CENI, ary ny mpikambana sasantsasany eo anivon’ny Governemanta, ny avy amin'ny rafitra diplaomatika sy ny fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany ary ireo mpiara-miombon’antoka tekinika sy ara-bola eto amin'ny firenena. Niteraka kotaba sy siotsioka, nanehoan’ireo solombavambahoaka mpanohitra ny fanoherana ataon’izy ireo, ny fidiran’ny Praiminisitra sy ny filohan'ny Antenimierandoholona tao anatin’ny efitrano fivoriana.

Lire la suite

Articles Similaires