• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny « drone » : vehivavy 1.400.000 isa no efa nisitraka izany

17/10/2023 14:00 © Moov.Mg

Raha toa ka nila 3 hatramin'ny 7 andro teo aloha ny famatsiana fanafody, amin'ny fampiasana ny lalana, dia efa vita ao anatin'ny ora vitsy izany amin'izao, vokatry ny fampiasana ny « drone ». Araka izany dia nihena be ny andro lany amin'ny famatsiana fanafody any amin'ireo tany lavitra andriana, noho ny fampiasana ity teknolojia ity.

Laharam-pahamehan’ny UNFPA

Teo anelanelan'ny volana febroary sy septambra 2023 dia vehivavy malagasy 1.400.000 isa no avotra, vokatry ny famatsiana fanafody tamin’ny alalan’ny « drone », tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara, raha ny tatitra avy amin’ny Tahirin'ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). 300 isa no famatsiana fanafody vitan'ny "drone", tao anatin'io fe-potoana io ary mahazaka lanja 5 kg isaky ny mandeha ny « drone » iray. Fomba vaovao ny fampiasana ity fitaovana ity ho famatsiana fanafody ary napetraky ny UNFPA ho laharam-pahamehana, araka ny nambaran'i Josiane Yaguibou, solontena maharitry ny UNFPA eto amintsika. Firenena maro no efa niroso tamin’izany maneran-tany ary misy amin’izy ireo no maka traikefa amin’ireo mpanamory « drone » malagasy.

Fifanaraham-piarahamiasa

Noho izy nahitam-pahombiazana dia amafisina ity fomba famatsiana fanafody ity. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa androany, teny Alarobia, teo amin'ny UNFPA, ny Etamazaoron'ny tafika malagasy, ny Birao Nasionaly misahana ny loza voajanahary (BNGRC) ary ny fikambanana tsy miankina Pivot, izay samy hanana ny andraikiny avy ao anatin'ny fanatanterahana ity tetikasa "drone" ity. Ny UNFPA, miaraka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka malagasy, no tompon’ny tetikasa ; ny tafika malagasy no mifanampy amin’ny UNFPA momba ny lalana hodiavin’ireo « drone » ; ny BNGRC no mpiara-miasa voalohany amin’ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehefa misy ny loza ; ny ONG Pivot kosa dia efa mpiara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hatramin’izay, momba ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana, indrindra any amin’ny distrikan’Ifanadiana. Ny governemnta japoney kosa no mamatsy vola ny tetikasa.

Fanentanana sy fanofanana

Tobim-pahasalamana 150 isa no heverina hahazo tombony amin'izao tetikasa « drone » izao, miparitaka amin’ny Faritra miisa 5 any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, dia Atsimo andrefana, Anosy, Androy, Vatovavy ary Fitovinany. Haharakotra 100km eo ho eo ireo « drones », miainga avy eo amin’ny seranan’i Bekily, ho an’ny tapany atsimo, ary eo amin’ny seranan’Ifanadiana, ho an’ny tapany atsimo-atsinanana. Mialohan’ny niantomboan’ny tetikasa dia nisy ny fampahafantarana sy fanentanana ireo mponina any amin’ny distrika voakasika. Nisy ihany koa ny fanofanana ireo mpisan’ny fahasalamana, mahakasika ny fomba handraisana ireo « drone » sy ny fanafody entiny, rehefa tonga any an-toerana. Niaraka tamin’izany dia nisy ny fanolorana fitaovana hitahirizana ireo fanafody, ho an’ireo tobim-pahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires