• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ville De Malakoff
Image
Vaovao

Herisetra mifototra amin’ny miralenta : Vehivavy iray isaky ny 11 minitra no maty eto Madagasikara

17/10/2023 12:02 © Moov.Mg

Mampitsangam-bolo ny antontan’isa momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy eto Madagasikara, hoy i Issa SANOGO, Mpandrindra maharitry ny Rafitry ny Firenena Mikambana eto amintsika. Nivoitra izany nandritra ny fakan-kevitra momba ilay hetsika « Spotlight », ho famongorana ireo endrika herisetra rehetra mifototra amin’ny miralenta (VBG) misy eto Madagasikara.

Manambady aloha loatra

Araka ny fantatra tokoa dia vehivavy 1 amin’ny 3 eto Madagasikara no iharan’ny herisetra eo amin’ny fiainany. Vehivavy iray isaky ny 11 minitra no mamoy ny ainy, vokatry ny herisetra ataon’ny olona miaraka aminy, na ny havany. Tranga fahita matetika eto amintsika ihany koa ny herisetra ao an-tokantrano. Ny 37,7%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona mantsy dia efa samy niharan’ny herisetra ara-batana na ara-pananahna avokoa. Mbola manjaka rahateo ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy, satria nanambady talohan’ny faha-18 taonany avokoa ny 39%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 49 taona, ary talohan’ny faha-15 taonany dia efa nanambady ny 12%.

Fanatsarana ny tontolon’ny vehivavy

Noho ireo karazana herisetra misy ireo indrindra no anton’ireo tetikasa sy hetsika isan-karazany tanterahina eto amintsika. Ireo firaisamonimpirenena no isan’ny loha-laharana amin’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, hoy RABETALIANA Rova Harimboahangy, tale Jeneralin'ny Fampandrosoana ny Vehivavy eo anivon'ny Ministeran'ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampandrosoana ny vehivavy. Rariny, noho izany, raha toa ka izy ireo no voalohany iantefan’ny fakan-kevitra ho fanatsarana ny tontolon’ny vehivavy eto Madagasikara. Efa nisy ny dingana vita, satria, araka ny fantatra dia efa nivoaka any anaty gazetim-panjakana ny didy fampiharana ny antontan-taratasy rafitra momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta eto Madagasikara.

Fampandrosoana lovain-jafy

« Tsy misy vehivavy na ankizivavy tokony ho faty na hiharitra herisetra ao anatin’ny androm-piainany, noho ny maha-vehivavy na ankizivavy azy fotsiny», hoy i Issa Sanogo. Mason-tsivana voalohany amin’ny fahatrarana ny fitovian-jo sy amin’ny fanatrarana ny fampandrosoana lovain-jafy ny famongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy, hoy izy. Iarahan’ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Eoropeanina manatanteraka moa ity fakan-kevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires