• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Action Enfance
Image
Vaovao

Fiaraha-monina : Iharan'ny herisetra ara-tsaina ny 80%-n'ny ankizy Malagasy

17/10/2023 10:09 © Moov.Mg

Teny marary, fanilikilihana, fanaratsiana, fandrahonana, ... Maro ny herisetra ara-tsaina izay mihatra amin'ny ankizy. Ny tena mampalahelo dia tsy ny fiaraha-monina ihany no mampihatra izany fa mety ny ray aman-dreny mihitsy. Araka ny tarehimarika natolotry ny UNICEF, 80%-n'ny ankizy Malagasy no iharan'ny herisetra ara-tsaina.

Inona avy ireo herisetra ara-tsaina ?

Araka ny efa voalaza tetsy ambony, herisetra ara-tsaina avokoa izay rehetra hetsika na teny mandratra olona iray. Na zaza sy ankizy aza dia mety hiharan'izany, na avy amin'ireo ray aman-dreny, havana, mpiara-mianatra sy manodidina.

Fanilikilihana

Fanimbana ny maha-olona ny herisetra ara-tsaina satria miraikitra ao an-dohan'ilay zaza na ankizy ilay teny marary na fihetsika manafintohina. Ny ankizy iray izay voahilika noho ny lokon'ny fihodirany na ny kalitaon'ny akanjony ohatra dia lasa tsy mahatoky tena intsony manoloana ny ankizy hafa izay tsy mitovy aminy. Raha "mainty" ny fihodirany, hanava-tena foana izy rehefa misy ankizy "fotsy" na dia tsy misy manilika aza. Matetika ihany koa dia voahilika ireo ankizy "mahantra" na heverina fa tsy manana ny ampy any am-pianarana. Tarafin'ny mpiara-mianatra amin'ny kalitaon'ny fitaovam-pianarana ampiasaina sy ny akanjo & kiraro anaovana mantsy matetika ny fari-pananana. Misy ihany koa ireo ray aman-dreny manao fitondrana mitanila. Ao ireo alaim-panahy hitongilana amin'ny zanaka izay tsara tarehy sy mahay kokoa ohatra.

Fandrahonana

Zary fahazarana ny mandrahona ny ankizy mba hanao zavatra iray. Misy ireo ray aman-dreny mahavita miteny ny hamonoana na hanariana ny zanany. Misy tanjona manokana moa izany matetika. Ny tena mampalahelo dia heverin’ny ray aman-dreny fa zony ny "menace" na "manipulation" amin’ireo zanany. Matetika dia tonga hatrany amin’ny fampanambadiana an-tery ny ray aman-dreny rehefa efa zatra manery ny zanany hatramin’ny fahazazany.

Fanambaniana

Matetika hampiharana herisetra ara-tsaina ihany koa ny fahaizana sy ny fahalalana. Maro ireo zaza/ ankizy tenenina hoe "vendrana" na "tsy misy saina" na "dondrona" na "totoam-bitana" rehefa tsy mifanaraka amin'ny tenin'ny olon-dehibe na mpampianatra ny zavatra ataony. Misy ireo tsy menatra mihitsy miteny ratsy sy manopa ny zanany. Marihana fa matetika dia arahina herisetra ara-batana ny herisetra ara-tsaina. Raha tsy mitomany na tsy taitra amin'ny teny marary na fihetsika tohony hanafintohina ilay zaza dia manangan-tanana ilay lehibe na ilay ankizy te hanamavo tsotr'izao.

Fampitokana-monina

Anisan’ny herisetra ara-tsaina ihany koa ny tsy famelana ny zaza/ ankizy hifanerasera amin’ny namany na ny havany. Matetika dia ireo ray aman-dreny misara-panambadiana no mandrara ny zanany tsy hifandray amin’ny ray na ny reny izay tsy mitaiza azy. Tsy vitsy ireo mahavita mampiditra hevi-diso ao an-dohan’ny zaza mba tsy hitiavany intsony ilay ray na reny izay lavitra azy. Misy kosa ireo ray aman-dreny izay tsy mamela ny zanany hiara-hilalao amin’ny ankizy hafa mihitsy, noho ny fahatahorana aretina na mosavy.

Tsy firarahiana

Ny tsy firarahiana na "manque d’attention" dia herisetra ara-tsaina. Marobe ireo ray aman-dreny no "miompy" fa tsy "mitaiza". Izany hoe variana any amin'ny fitadiavana zavatra materialy ho an'ny zanaka, ka adino ny fifandraisana am-po. Mila resahina ny ankizy, mila fantarina izay manjo azy, mila ampiana izy amin'izay fianarana ataony sns.

Inona no mahatonga ny fampiharana herisetra ara-tsaina ?

Tsy mora ny fitaizana sy ny fiaraha-miaina. Matetika dia noho ny hatezerana no mahatonga ny ray aman-dreny mampihatra herisetra ara-tsaina. Tsy mety mankato ohatra ilay zaza na ilay ankizy ka rahonana mba hampangina na hampanekena azy zavatra iray. Eo ihany koa ny famporisihana azy hianatra mafy, ka omena teny marary izy mba hahatsapany fa tsy mahay. Hevitra heverina fa mety ireo, nefa mety hanimba ny zaza : ho very ny zo maha-olombelona manan-tsafidy azy sy ny fahatokisan-tenany. Azo atao tsara ny mibedy na manitsy ny zaza, saingy atao amim-panajana tanteraka izany, sady atao anaty firesahana mahafinaritra. Ny tanjona dia ny hahatsapan'ny zaza/ankizy ny fahadisoany na ny ezaka tokony ataony, mba ho tombontsoany. Raha ny "manque d'attention" indray, noho ny rotorotom-piainana no mahatonga izany. Miainga maraina sady mody hariva be ny ray aman-dreny ka tsy manam-potoana mihitsy hijerena manokana ireo zanaka. Ny raharaha ao an-tokantrano rahateo manahirana. Mora araka izany ny mikitakita sy manilika ireo zaza/ ankizy rehefa misy tian'izy ireo ho resahina na hangatahina.
Tsy vitsy ihany koa ireo olon-dehibe na ankizy efa zatra manambany ny hafa noho ny fitaizana azony. Misy ohatra ireo zanaky ny manana ny ampy no tsy avelan'ny ray aman-dreniny miara-milalao amin'ireo ankizy malotoloto na ratsy akanjo na ngita volo. Misy ihany koa ireo mitsikera ny tarehy, ny maso, ny molotra sy ny fandeha. Marobe ireo zaza tsy mety handeha hianatra intsony satria ambanian'ireo mpiara-mianatra aminy. Ao ireo mahazo solon'anarana mihitsy noho izay heverina fa "tsy tonga lafatra" eny amin'ny vatana : be maso, petak'orona, mandringa, sns. Misy ireo iomehezan'ny namany satria tsy mba aterina amin'ny fiara na mahatakatra "restaurant" amin'ny atoandro na tsy manana afa-tsy vary sy laoka tsotsotra isaky ny mitondra sakafo.

Inona no atao hanafoanana ny herisetra ara-tsaina ?

Sarotra amin’ny zanaka no hitaraina na hitory ny ray aman-dreniny, raha izy ireo no mampihatra ny herisetra ara-tsaina. Izany indrindra no mahatonga azy ireny mandray fanapahan-kevitra rehefa tsy zakany intsony ny zava-misy, indrindra rehefa miha-lehibebe : fitsoahana ny tokantrano, firosoana amin’ny asa na tsy vita aza ny fianarana, fanambadiana izay olona sendra manambitamby, sns. Misy ireo tsy mety mahita asa na lasa mangalatra mihitsy aza satria noterena tsotr’izao tamin’ny nisafidy ny fianarana ambony natao. Ao indray ireo tsy sahy mifanerasera amin’olona intsony noho ny fanilihana nahazo hatramin’ny fahazazana. "Tsy mety diso ny ray aman-dreny" raha eto Madagasikara manokana. Tsara ihany nefa raha samy mihevi-tena ny tsirairay mba hanabe olom-banona sy hanatsara ny hoavin'ny firenena.
Arakaraka ilay karazana herisetra ara-tsaina no hitadiavana vahaolana. Azo lazaina izany fa ny fanabeazana tsara avy amin'ny ray aman-dreny sy ny fihetsika/ fiteny mahatehotia no anisan’ny antoka hanafoanana izany herisetra izany. Tsy tokony hihatra amin’ny zaza sy ny ankizy ihany koa ny tsy fifanarahan’ny mpivady sy ny olana amin’ny fitadiavam-bola. Mbola ezaka goavana ihany koa ny fitarihana ny ankizy tsy hanaratsy ny namany na dia misy aza ny tsy fitoviana. Rehefa "tsara taiza" ny zanaka rehetra, tsy hisy intsony ny fanilihana sy ny fanambaniana any am-pianarana, ary samy hitandro ny zanany avokoa ireo izay ho ray aman-dreny atsy ho atsy.

Lire la suite

Articles Similaires