• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Analanjirofo – Fenoarivo Atsinanana : Olona miisa 13845 nisitraka fitsaboana maimaim-poana

17/10/2023 09:08 © Midi Madagasikara

Tonga nanantanteraka fitsaboana maimaim-poana tany amin’iny faritra Analanjirofo iny ireo mpitsabo avy ao amin’ny fikambanan’ny dokotera ao amin’ny ranomasim-be Indianina na ny « Médecins de l’Océan Indien (MOI) ».

Nifarana ny sabotsy lasa teo ny fandalovan’izy ireo tany an-toerana, ary tao anatin’izany no nisitrahan’ireo olona analin-kisa fitsaboana maimaim-poana, tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo. Efa nanomboka ny 7 oktobra lasa teo izy ireto mpitsabo ireto no tonga tany an-toerana ary nandray an-tanana sy nitily ireo karazan’aretina maro tamin’ireo mponina. Tao anatin’izany ny fanaovana « echo abdomino-pelvienne », ny « cardiologie », ny « ophtamologie », ny « gastro », izay tsy latsaky ny 50 isan’andro ireo olona voaray. Nisy ihany koa ny fizaràna fanafody nifaraka tamin’ireo aretin’ny marary sy ny solomaso ho an’ireo manana olana amin’ny maso, izay tsara marihana hatrany fa tsy nosandaina vola.

Ny sabotsy teo moa dia tonga nitondra fankasitrahana ireo mpikambana avy eo anivon’ny MOI ireto ny tompon’andraikitram-panjakana tany amin’iny faritra Analanjirofo iny, izay notarihin’ny Goverinora Dr Randrimanantena Marcellin, niaraka tamin’ny Lehiben’ny fileovana tao Fenerivo Atsinanana sy ny Talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana. « Nahavita be teto amintsika izy ireo ka mendrika ny tolorana marim-pahatsiarovana. Hirariana araka izany ny hiverenan’izy ireo matetika » hoy ny tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny faritra nandritry ny lahateniny. Tsara tsiahivina tokoa fa tsy adinon’ireto mpitsabo avy eo anivon’ny MOI ireto mihitsy ny faritra Analanjirofo amin’ny fotoana handalovan’izy ireo aty Madagasikara. Fantatra mantsy fa hetsika fitsaboana fanintsiviny izao nontaterahiny tany izao. Marihana fa tsy mpitsabo vahiny irery ihany no ao anatin’ity fikambanana MOI ity fa misy dokotera manam-pahaizana malagasy ihany koa, ary misy ihany koa ireo mpitsabo mahay avy ao Fenoarivo Atsinanana nanampy azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires