• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Compagnie_De_Gendarmerie_Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Ambohidratrimo : Lehilahy mpivarotra rongony amin’ny mpianatra no sarona

16/10/2023 20:20 © Moov.Mg

Raha somary nangingina tato ato ny trangana fitsindromana rôrô ataon’ireo mpianatra sy tanora vao herotrerony, dia fantatra kosa fa mbola mitohy hatrany ny fivarotana zava-mahadomelina. Lehilahy iray izao no tratran’ny zandary tao Ambohidratrimo nivarotra izany.

Manaparitaka rongony amin’ny mpianatra

Saron’ny zandary avy eo amin’ny compagnie de gendarmerie Ambohidratrimo ny lehilahy 34 taona. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny zandary dia sakosy iray feno fonosa rongony 138 isa no tratra teny aminy, ary tahony sy raviny mbola tsy nifono nilanja 800 grama. Taorian’ny fanadihadiana izay natao dia fantatra fa ireo mpianatra sy tanora eny amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny no hivarotany ireo zava-mahadomelina ireo, ary efa fataony izany. Niakatra fitsarana androany alatsinainy 16 oktobra moa ity lehilahy izay ahiana ho mpanome sy mpanaparitaka zava-mahadomelina amin’ny ankizy mpianatra ity.

Mampidi-doza

Ny fitiavana manandrakandrana matetika no mahatonga ny tanora tafalatsaka amin’ny fandraisana itony zava-mahadomelina itony. Ireo ankizy mbola mpianatra anefa matetika no mora mifampitarika amin’ny zavatra toa izany noho izy ireo mbola ao anatin’ny taona tia andrakandrana. Mora ho an’ny olona toa lehilahy izay mivarotra zava-mahadomelina amin’ny mpianatra ity, araka izany, ny manaparitaka ny entany eny anivon’ny toeran-tsekoly.
Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana fa ihany koa ho an’ny hoavin’ny olona iray ny fandraisana zava-mahadomelina. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina toa ny rongony sy ny rôrô dia ilaina hatrany ny fanamafisana ny hetsika fanentanana eny anivon’ireny sekoly ireny. Ampahafantarina mandritra izany ireo voka-dratsy mety hateraky ny fiankinan-doha amin’ny rongony. Misy tokoa ireo lasa adala vokatry ny fandraisana rongony, ao ireo tsy mahavita mandray an-tànana ny fiainany intsony.
Adidin’ny tsirairay, izany hoe ny ray aman-dreny, ny fiaraha-monina, ny sekoly fa ihany koa ny mpitandro ny filaminana ny ady amin’ny fandraisana rongony. Ady izay miompana indrindra amin’ny fifampiresahana eo amin’ireo tanora sy ny ray aman-dreny fa ihany koa ny fanampiana ireo olona tafalatsaka ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires