• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Jiro : Naharitra andro maro ny fahatapahan-jiro

16/10/2023 19:55 © Moov.Mg

Nampikaikaika ny maro teto Antananarivo sy ny manodidina ny fahatapahan-jiro tamin’iny faran’ny herinandro teo iny. Faritra maro tokoa no tapaka jiro ary naharitra roa na telo andro izany ho an’ny faritra sasany.

Andro ratsy

Taorian’ny oram-baratra narahin-kotroka sy avandra ny zoma hariva teo iny dia toerana maro izay tafiditra ao anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo no tapaka jiro. Araka ny nambaran’ny Jirama dia nisy fiatraikany tamin’ireo fotodrafitrasa mpamokatra sy mpihary herinaratra izay miantoka ny famatsiana herinaratra an’Antananarivo sy ny manodidina, iny andro ratsy iny.
« Noho ny kotroka izay mahatonga fikatsoana na fahasimban’ny fitaovam-pitaterana herinaratra dia tapaka ny herinaratra amin’ny toerana sasany eto Antananarivo », hoy ny Jirama nampilaza ny andron’io zoma io ihany. Tao ohatra ny fahatapahan’ny tariby nohon’ny kotroka, tao ny fipoahan’ny vata mpanova herinaratra tamin’ny faritra sasany sy ny fianjeran’ny andrin-jiro. Vokatr’izany orana izany ihany koa dia nisy ny hazo nianjera tamin’ny ligne Moyenne Tension sy ny fahasimbana isan-karazany.

Fahatapahana naharitra telo andro

Toerana maro teto Antananarivo sy ny manodidina no tapaka jiro ary naharitra roa na telo andro mihitsy izany tamin’ny toerana sasany. « Ny anay izao ny jiro tapaka nanomboka ny zoma tamin’ny 05 ora hariva teo, dia omaly alahady tamin’ny 03 ora hariva tany indray izy vao niverina. » hoy ity renim-pianakaviana iray mipetraka eny Ambohimangakely eny mitantara. Araka ny fanazavan’ny avy eo amin’ny Jirama dia somary nanano sarotra ny nitady ny fototry ny olana ho an’ny faritra sasany, koa izany no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra tapaka nandritra ny roa na telo andro any amin’ireo faritra ireo.
Mety mbola hitohy ihany anefa ny fahatapahan-jiro ho an’ny androany satria nampahafantatra indray ny Jirama io maraina io fa hisy fikorontanany ny famatsiana herinaratra amin’ny ankapobeny noho ny fihatoana tampoka eo amin’ny milina G2 sy G3 ao Andekaleka. Miteraka faty antoka ho an’ireo mpandraharaha madinika sy salan-tsalany ny fahatapahan-jiro maharitra sy matetika toa izao. Efa maro ireo mitaraina noho izany. Maro ihany koa ireo fitaovana an-tokatrano simba vokatr’io fahatapahan-jiro io. Ilaina noho izany ny fitadiavana vahaolana maharitra hahafahana miatrika ny fotoam-pahavaratra araka ny tokony ho izy mba tsy hisian’ny fahatapahana intsony.

Lire la suite

Articles Similaires