• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Iray volana mialoha ny fifidianana : Vonona ny CENI, ireo Kandida no andrasana

16/10/2023 16:30 © Moov.Mg

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny fifidianana (CENI), na voatazona ilay datin’ny 9 novambra 2023 ho an’ny fihodinana voalohany, na izao nahemotra ho amin’ny 16 novambra izao. Efa saika mipetrapetraka daholo ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ity rafitra ity.

Milamina daholo ny pitsopitsony

Ny fanolorana soso-kevitra tany am-boalohany no anjara asan’ny CENI, raha ny momba ny datim-pifidianana, fa tsy ity rafitra ity no manapaka ny momba izany araka ny lalàna, raha ny fanazavan’ny filohany, Andrianarisedo Retaf Arsène Dama. Vonona ny hanatanteraka ny fifidianana amin’ny tetiandro efa napetraka ny CENI, hoy hatrany izy, ary efa milamina daholo ny pitsopitsony, indrindra ny momba ny fandaminan ny fampielezan-kevitra, araka ny nambarany. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fifandimbiasana mamelabela-kevitra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ny fahavononan’ireo Kandida hanatanteraka izany sisa no andrasana, hoy ny filohan’ny CENI, satria efa voalamina avokoa ny rehetra, araka ny andraikitra raisin’ny CENI, izay misolo ny Fahefam-pirenena momba ny Fandrindrana ny Serasera amin’ny alalan’ny Fampintam-baovao (ANRCM). Ny momba ny angindimby sy ny fiaramanidina moa dia efa nomena alalana mitovy avokoa ireo Kandida nangataka ny hampiditra izany.

Madio ny lisi-pifidianana

Momba ny fisalasan’ireo Kandida ny amin’ny fahadiovan’ny lisi-pifidianana, dia nampahatsiahy i Andrianarisedo Retaf Arsène Dama fa nisy ny fitsirihana natao, izay notanterahan’ireo vondron’olona eto an-toerana sy nataon’ireo solontenan’ny vondron'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny Frantsay (OIF). Isan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra, raha ny fanamarihana nataon’ny filohan’ny CENI ary efa vita avokoa ny fanitsiana rehetra izay notakian’ny OIF ny ankolafy fanoherana. Ankoatra izay dia efa vonona ireo « disques durs externes » mirakitra ny antontan-kevitra sy antontan’isa mahakasika ny lisitry ny mpifidy, araka ny fangatahan’ny mpanohitra, hoy hatrany izy, ary efa nisy aza no naka ny anjarany. Nomarihin’ny filohan’ny CENI moa fa mihoatra ny 63%-n’ny kara-pifidianana no efa eny am-pela-tanan’ny tompony, amin’izao iray volana mialohan’ny datim-pifidianana izao.

Lire la suite

Articles Similaires