• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Planet-Fr
Image
Vaovao

Toetr’andro : Mbola hafana be eto Analamanga, noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona

16/10/2023 16:06 © Moov.Mg

Mbola manevokevoka ny eto amin’ny faritra Analamanga mandritra ity herinandro ity, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Tafakatra ambony noho ny tokony ho izy mantsy ny mari-pana amin’izao fotoana izao ary mbola miantona ihany koa ny orana.

Mety ho avy ny orana anio sy rahampitso

Tafakatra 15°C hatramin’ny 18°C ny hafanana farany ambany eto Analamanga amin’izao fotoana izao, raha toa ka 13°C hatramin’ny 14°C ny ambany indrindra mahazatra. Ho an’ny mari-pana ambony indrindra dia tafakatra 30°C hatramin’ny 32°C izany, raha 26°C hatramin’ny 27°C no tokony ho izy. Araka izany dia mbola hafana dia hafana ny eto Analamaga, amin’ny ankapobeny. Heverina fa mety hisitraka orana ny eto Antananarivo ho an’ny androany sy ny rahampitso. Na izany aza anefa dia tsy hampiova firy ny mari-pana izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Ny fisian’ny rindrin-drahona (front) mandalo any Atsimon’i Madagasikara, ary nifanesisesy, no antony mahatonga izao hafanana be izao, araka ny fanazavana.

Mety hisy avandra

Na izany aza, azo lazaina ho mifanaraka amin’ny mari-panan’ny vanim-potoanan’ny lohataona ihany izao. Ny rotsak’orana kosa hatreto no somary ambany ny tahany, satria tokony hanodidina ny 52mm ny tahan’ny rotsak’orana eto Analamanga sy ny manodidina rehefa volana oktobra. Amin’izao anefa dia manodidina ny 13mm fotsiny aloha izany, saingy vao misasaka ny volana oktobra, ka ho hita eo ny fivoarany, hoy ny teknisianin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Amin’ny faramparan’ny herinandro no tena vinaniana hirotsaka indray ny orana, nefa mety hahazo orana ihany ny ilany andrefana sy ny tapany atsimon’Analamanga amin’ny alarobia sy alakamisy izao. Mety hirotsaka ihany koa ny avandra amin’ny faritra avo sy manakaiky tendrombohitra.

Lire la suite

Articles Similaires