• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalaman’ny saina : Ny 17,6%-n’ireo marary no nanatona tobim-pitsaboana noho ny zava-mahadomelina

16/10/2023 14:31 © Moov.Mg

Kely dia kely ny tetibola aompan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fahasalaman’ny saina, raha ny fahitan’ny fikambanana Psy-Kôzy Madagascar azy. Vitsy ihany koa ny toeram-pitsaboana misahana ny saina eto amintsika ary vitsy tahaka izany ihany koa ireo mpisehatra ara-pahasalamana mifantoka amin’ny fahasalamanny saina. Manana tetikasa ny hampivoatra ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny saina ity fikambanana ity.

Tsy mitsaha-mitombo ny olona tratran’ny fikorontanan’ny saina maneran-tany. Voakasik’izany ihany koa i Madagasikara. Raha ny antontan'isa momba ireo olona tratran'ny fikorontanan-tsaina isan-karazany, hita teny anivon'ny hopitaly, dia ny 17,6%-n’ireo marary no tonga nanatona tobim-pitsaboana saina vokatry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina tsy voafaritra, 12,5% ireo miankin-doha amin'ny alikaola, 11% ireo mpandray rôrô, 8,1% ireo tratran'ny "schizophrénie" ary 4,8% ireo tratran'ny "trouble bipolaire". Tsy antontan’isa ahafahana mamantatra ny tena zav-misy marina eto Madagasikara anefa ireo, araka ny nambaran-dRandrianjanaka Holitiana Elida, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Psy-Kôzy Madagascar. Antontan’isa voaray teo anivon’ny tobim-pitsaboana telo eto Antananarivo ihany mantsy ireo, dia Befelatanana, Anjanamasina ary ny hôpitalin’i Soavinandriana.

Tsy ampy ny mpitsabo saina

Mbola vitsy rahateo ireo hôpitaly mitsabo ny fikorontanan-tsaina eto Madagasikara, miisa 6 monja izy ireo, ka ny 4 amin'ireo ihany no mandray olona sy mampiditra hopitaly ny marary, fa fizahana fotsiny no ataon'ny 2. Mbola tena tsy ampy ihany koa ny isan’ireo dokotera psikiatra mandray an-tanana ireo marary, satria 22 fotsiny izy ireo amin’izao fotoana izao, raha ny fanamarihan’ny avy ao amin’ny fikambanana Psy-Kôzy Madagascar. Raha ny fenitry ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) dia tokony handray an-tanana marary 5.000 isa, fara-fahabetsany, ny psikiatra iray. Ireo dokotera misahana ny saina miisa 20 mahery ireo anefa izany, no madray an-tanana ny malagasy efa ho 30 000 000 isa.

Iharan’ny fanilikilihana

Ankoatra izay dia mbola sakana lehibe amin’ny fitsaboana ny fikorontanan-tsaina eto Madagasikara ny fanasokajian’ny fiarahamonina malagasy azy io ho henatra, ny fanafenanan'ny fianakaviana ireo marary sy ny tsy fanatonana tobim-pitsaboana. Mbola heverina ho asan’ny maizina hatrany mantsy izany matetika. Etsy an-daniny, mbola voailikilika ireo marary ary ampiasaina foana ilay voambolana hoe : « adala », na inona na inona ilay tranga mahazo ilay olona. Vokatr’izany, na nahazo fitsaboana ara-dalàna aza ny marary dia sarotra ny fiverenany eo amin’ny fiarahamonina. Maro amin’izy ireo no iharan’ny fanilikilihana, tsy mahita asa intsony, very fananana… Araka ny fitarainana efa voarain’ny fikambanana Psy-Kôzy. Ho fampahafantarana sy ho fanentanana momba ny fahasalaman'ny saina dia mikarakara atrikasa ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar amin'ny 7 novambra ho avy izao.

Hanangana ivon-toerana

Hisy lohahevitra natao ho an'ny daholobe mandritra io atrikasa io, izay hiompana amin’ny fampahafantarana ny momba ireo aretin-tsaina sy ny ady amin’ny fanilikilihana. Hisy ihany koa ny lohahevitra miantefa manokana amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana misehatra amin'ny fahasalaman'ny saina. Ankoatra izay dia tetikasa tian'ny fikambanana Psy-kôzy hotanterahina ny hanangana ivon-toerana handraisana an-tanana ireo olona tratran'ny fikorontanan-tsaina sy hamerenana azy ireo eo anivon'ny fiarahamonina indray. Marihina fa ny Psy-Kôzy dia ivondronan’olona mpirotsaka an-tsitrapo, mpiasan’ny fahasalamana sy olon-tsotra, te hanatsara ny tontolon’ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara. Miisa 20 ny mpikambana ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires